Other News

Sombim-baovao

Nanamarika ny Andro iraisam-pirenen’ny vehivavy, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny Makis Ladies, ny zoma 8 marsa lasa teo. Maro ireo hetsika natao tamin’izany. Anisany ny fampianarana ireo vehivavy eny an-toerana sy ny “festival rugby féminin”. Nanainga ny sabotsy lasa teo, teto an-tanindrazana, ireo Malagasy mpilalao tennis lahy sy vavy. […]

“Youzou Smatchin Orange” : niady tanteraka ny lalaon’ny Espa sy ny Esca

Hiditra amin’ny andro faha­telo, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, ny fifaninanana “Youzou Smatchin Orange”, andiany faha-10. Fifaninanana andraisan’ireo ekipa eny anivon’ny Oniversite izay ahitana sekoly ambony miisa 40. Nafana tanteraka ny andro roa voalo­hany, tonga marobe ny mpijery manohana ny ekipany. Ho an’ ireo andro roa voalohany, na­fana avokoa […]

Lalao Afrikanina : Medaly volafotsy iray sy alimo enina azon’i Madagasikara

Medaly volafotsy iray sy alimo enina no azon’ny Mala­gasy atleta, mandritra ny lalao Afrikanina, andiany faha-13, atao any Accra, Ghana. Efa any an-toerana avokoa ny mpandray anjara. Tsara fanombohana ny mpibata fonjamby malagasy, omaly. Medaly alimo 3 sy volafotsy 1 no azon’i Mada­ga­sikara, teo amin’ity taranja ity, nandritra ny andro […]

TARATRY ny KANTO

Nahatanteraka ny fanambiny ny Quatuor & Squad! Tontosa tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny faran’ny herinandro teo, ilay fampisehoana « Mifankatiavana ihany». Seho nahitana avy hatrany ilay fahaiza-mitendry zavamaneno sy mandrindra ny fampiarahana ny feon’izy ireo. Tamin’ny alalan’ny «lokanga» isan-karazany no nanatontosan’ny Quatuor & Squad izany. Hotohizana amin’ny alakamisy 14 marsa izao, ao […]

Tontolon’ny hira : nodimandry i Mika Kely Bassiste

Lavo ny andrarezina! Nodimandry, omaly, i Raoel Brice Mick Angelot, fantatra amin’ny solon’anarana Mika Kely Bassiste. Araka io, ny fitendrena gitara « basse » (gitara migobom-peo) no tena nahafantarana azy. Tarika sy mpanakanto maro manana ny lazany no nametrahan’i Mika Kely Bassiste ny dian-tanany. Anisan’izany ny tarika ‘Zay, Samoëla… Ankoatra ny fitendrena […]