Mitohy any amin’ny oniversiten’Analanjirofo, Fenoarivo Atsinanana, indray ny fanofanana mpampianatra ataon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tanjona ny hanamafisana ny traikefan’izy ireo, hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony. Efa nisy koa ny fanofanana natao tany amin’ny oniversiten’Itasy. Tanterahina ao amin’ny kianja manara-penitra Ambohitahara, Ambohidratrimo, ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy […]
Other News
CGM/GZ Analakely: hanome sehatra kokoa ireo karazana kanto
Asa efa nataony hatrizay… Fa mbola manamafy ny fanohanany ny zavakanto malagasy ny ivokolo malagasy-alemà, CGM/GZ etsy Analakely. Anisan’izany ny fanomezana sehatra ireo tetikasa maro manodidina ny kanto. Tsy ny fampianarana ny teny alemà ihany no iandraiketan’ny CGM/GZ etsy Analakely. Efa hatramin’ izay nisiany no nanana andraikitra lehibe amin’ny fampiroboroboana […]
TARATRY ny KANTO
“Ho an’i Mikakely” – M’Lam Manakambahiny. Tsy mitsahatra ny tolo-tanana ato amin’ity toerana ity, ho fanampiana amin’ny fitsaboana an’i Mikakely. Hiaka-tsehatra anio, manomboka amin’ny 5 ora hariva ry Théo Rakotovao, Teddy Solo sy ny namany, ary ny Faith. Hitohy ny sabotsy miaraka amin’ny Raozin’ny Paradisa, Hery Vaika, Tarika Tary, ary […]
« Temps Forts Théâtre »: Tanjona ny hamerina ny maha izy ny teatra
Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM Analakely), manomboka ny 10 marsa hatramin’ny 28 marsa 2024, ny «Temps Forts Théâtre», andiany voalohany. Hetsika natao hanasongadinana ny teatra na ny tranainy na ny moderina. Fotoan-dehibe ho an’ny fianakaviamben’ny teatra izany. Vondrona maro samihafa, mpiangaly ny haikanto no hitondra seho hanamarihina ny […]
Voatery, voaporitra…: Nanjary narivo fisainana ny Malagasy
« Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihina… », hoy ny tononkira. Raha tany ambadiky ny 300 na 400 taona, mety marina io. Fa ny vanim-potoana ankehitriny, toa mandà izany. Tranga tsy tongatonga ho azy fa nisy antony. Nisy nanery, nisy nanaporitra… Nanana ny akony eo amin’ny fiarahamonina iray manontolo ilay fiovana. Firenena tatsinanana […]






