Sarahina amin’ny distrikan’Ambovombe ny distrikan’Antanimora Atsimo, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha. Mifototra amin’ny fepetra ara-jeografika, toy ny fahalaviran-toerana sy fitokana-monina ny fanadihadian’ny minisiteran’ny Atitany amin’izany. Eo koa ny fepetra momba ny fitoviana ara-toekarena sy sosialy ary kolontsaina. Maromaro ireo fanendrena prefet sy sefo distrika tamin’ny filankevitry […]
Other News
Fifidianana: “Azo eritreretina ny hahamaro anisa ny mpanohitra”
“Mety azo eritreretina ny tsy hahamaro anisa ny eo anivon’ny fitondrana eny amin’ny Antenimierampirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, ny amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Hita fa miady izy samy izy manohana ny fitondrana amin’izao fotoana izao, raha tsy hiresaka afa-tsy ny TGV sy ny Upar. […]
Mbola tsy manam-pidiny
« Arahabaina ny andriambavilanitra… tratry ny asaramanitra!? ». Toy ny firenen-drehetra maneran-tany, mankalaza ny andron’ny 8 marsa, hoenti-manamarika ny ady natao higohan’ny vehivavy ny zo fototra tokony hananany i Madagasikara. Maro ny hetsika enti-manamarika izany manerana ny Nosy. Hetsika mampiseho fa mahavita azy ny vehivavy, mendrika ny homen-kasina, tsy ho ambakan’ny […]
100 andron’ireo minisitra : mitaky vokatra miantraika amin’ny vahoaka ny Filoha
Nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Iavoloha, ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika amin’ireo minisitra. Anisan’izany ny fandrefesana ny 100 andro amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Hentitra ny filoha. “Tokony hahitana tetikasa goavana sy miavaka ahazoana vokatra azo tsapain-tanana sy mipaka any amin’ny fiainam-bahoaka sy any amin’ny fandaharanasan’ny minisitera tsirairay […]
Tsy mety fay: mpanolana naiditra am-ponja eny Tsiafahy
Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, afakomaly, manampy an’i Dawilly, ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy kely 6 taona tao Ampary, distrikan’i Soavinandriana. Naharay fitarainana ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Soavinandriana momba ny fisiana lehilahy iray 21 taona nanao fihetsika feno habibiana tamina ankizivavy kely iray […]






