Hizara ny “Fidiovana”, manomboka anio, ny mpikarakara ny Taombaovao Malagasy. Hanomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny sabotsy 9 marsa izany, eny amin’ny vavahady N°3, ao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina. Fotoana hanombohan’ireo “Famato” hanadiovana an’Imahamasina, izay toerana anisan’ny handray ny fankalazana, ihany koa izany. Johary Ravaloson, Malagasy mpanoratra, miaraka amin’ilay […]
Other News
Noravain’ny vahiny ny kolontsaina malagasy : mety hifanandrina ny lehilahy sy ny vehivavy
Tahaka ny nahazatra tao anatin’ny taona maro, hanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy i Madagasikara. Mbola manan-danja eny amin’ny fiarahamonina malagasy sy any amina sehatra maro samihafa anefa ilay nambaran’ny vahiny manao hoe : « tsy manaja vehivavy ny fiarahamonina malagasy ». Manao randra-mitarika hatramin’izao io ka namboly toe-tsaina « hafahafa » eo amin’ny vehivavy sasany. […]
Tontolon’ny saripika : vonona hizara traikefa ny UPPM
« Union des photographes professionnels de Madagascar » ( UPPM). Araka ny anarany, fikambanan’ireo mpaka sary matihanina manerana ny Nosy izy ity. Miditra amin’ny faha-10 taona nisiany ny fikambanana ka mikasa ny hanamarika izany amin’ity taona ity. Mialoha izay anefa, nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, omaly, ny birao mpitantana […]
Fampirantiana “Planète femmes”: misongadina ireo asa tanan’ny vehivavy
Anisan’ny mandray anjara amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ihany koa ny eny amin’ny AFT Andavamamba, amin’ny alalan’ny fampirantiana “Planète femmes”, hisarihana ny sain’ny rehetra ny amin’ny fananan’ny vehivavy ny maha izy azy. Tanterahina eny amin’ny efitrano malalaky ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, nanomboka omaly hatramin’ny […]
Lalaina zanadrano : Mpanavotra olona maty an-drano
Mahagaga sy sarotra inoana saingy tena misy ny olona nomem-pahasoavana hafahafa amin’ny fiainana. Anisan’i reny i Lalaina zanadrano, in-46 nikaroka olona maty an-drano. Tovolahy iray, zanak’ olona sahirana, monina sy mipetraka ao Salazamay Atsimo, i Lalaina. Noraisin’ny kaominina ho mpiasa eo anivon’ny vondrona mpamonjy voina noho ny fahaizany manokana mahakasika […]






