Other News

Mpanaparitaka héroïne: voaheloka dimy taona an-tranomaizina i Fortuno

Nivaly ny didim-pitsarana fa midoboka dimy taona any am-ponja, sazy mihatra, ny lehilahy iray atao hoe Fortuno. Mpanaparitaka rongony mahery vaika tao Toamasina, ny 22 desambra teo.  Voasaringotra tamin’ny fahatrarana zava-mahadomelina izy sy ny namany efatra mianadahy hafa. Nokasain’ireo haondrana  tao Toamasina ireo héroïne avy any Nosy Be ireo. Nalefan’ireto […]

Tsy fandriampahalemana: mpangalatra niharan’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray no voasambotry ny fokonolona, teny Ankeniheny, ny zoma, teo noho ny halatra nataony. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ka tratra ary saika niharan’ny hatezeram-bahoaka. Tonga ara-potoana anefa ny polisim-pirenena ka voasoroka izany. Vokany, natolotra ireo mpitandro filaminana ny tenany hanohizana ny famotorana. Ankoatra ity, jiolahy iray koa no tratra teo […]

Tselatra

Naiditra ao amin’ny fonjaben’i Taolagnaro ny lehilahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizy vao 12 taona. Mitondra vohoka dimy volana ilay niharam-boina taorian’ny fitsirihana nataon’ny dokotera. Fantatra fa nanomboka tamin’izy 11 taono no nisian’izao fanolanana izao. Tambazany vola 1 000Ar sy bisky ilay ankizy rehefa hanao ny filan-dratsiny izy.