Other News

“Lalao Afrikanina” : Atleta malagasy 64 hifaninana ao Ghana

Nanainga ny zoma 1 marsa teo ny andiany voalohany amin’ny delegasiona malagasy hiatrika ny andiany faha-13, “Lalao Afrikanina” hatao any Accra Ghana. Miisa 64 ireo atleta hifaninana, amin’ny taranja 12. Efa manomboka tonga tsikelikely ao Accra Ghana ny delegasiona malagasy, hiatrika ny andiany faha-13 amin’ny “Lalao Afri­kanina”. Tonga any an-toerana […]

INDRAY MIJERY

Nanatanteraka fambolen-kazo tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza ny fikambanan’ny mpampianatra mpikaroka, ny faran’ny herinandro teo. Fototra iorenan’ny fikarohana ny zavamaniry sy ny biby ka mahatsiaro ho manana adidy amin’izany ireo mpikambana miisa 379. Handray anjara amin’ny fanome­zana sakafo ho an’ireo biby ao Tsimbazaza ihany koa izy ireo. Miantsehatra amin’ny fiarovana ny […]

Madagasikara-Torkia: maherin’ny 200 tapitrisa dolara ny fifanakalozana ara-barotra

Nahomby ny fiaraha-miasa. Mitentina hatrany amin’ny 202 tapitrisa dolara ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Madagasikara sy Torkia nandritra ny taona 2023, raha toa ka 102 tapitrisa dolara izany ny taona 2022. Manodidina 11,168 tapitrisa dolara teo ireo vokatra malagasy naondrana any an-toerana, ny taona 2020. Mitentina 10,725 tapitrisa do­lara kosa […]

Fampandrosoana: hamatsy vola 88 tapitrisa euros ny AFD

Mitentina 88 000 000 euros ny famatsiam-bola omen’ny Ivontoerana frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) hanatanterahina ireo tetikasa telo lehibe eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny tetikasa “PADEVE II” izay sahan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany. Hahakasika ny tanàn’ Antsirabe, Fianarantsoa, To­liara, Mahajanga, Antsiranana ary Toamasina. Mitentina 49 000 000 euros kosa ny […]

Fari-piainana: Mahantra ny 24 tapitrisa amin’ny Malagasy

Mampivarahontsana ny tahan’ny fahantrana eto Mada­ga­sikara! Mivelona ambanin’ ny 4 000Ar (0,89 $), isan’olona, ny 24 tapitrisa amin’ny Malagasy, nandritra ny taona 2022, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Izany hoe, mahantra avokoa ny 75% ny Malagasy. Tombana vokatry ny fanadihadiana ny sehatra marolafy nataon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny ivontoerana misahana ny […]