Fanamby ny hampiroborobo ny fampiasam-bola maitso, ao anatina rojom-pihariana samihafa, hampivoarana ny fandraharahan’ny vehivavy aty Afrika, mandritra ny hetsika COMFWB Trade Fair andiany fahadimy, hatao eto Antananarivo. Hotontosaina eto Antananarivo, ny 14 sy 15 jona izao, ny hetsika “COMESA Federation of Women in Business (COMFWB) Trade Fair” andiany fahadimy, izay […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 300 ny salotra vonjy aina nozaraina tamin’ ny mpanjono, avy amin’ny fokontany efatra any Itampolo, distrika Ampanihy Andrefana, faritra Atsimo Andrefana, ny herinandro lasa teo. Avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ara-tsakafo (FAO) ireo fitaovana ireo, ary efa nisy koa kojakoja hafa efa nozaraina, toy ny harato, arotava ary tady. Nisokatra […]
Ambatofinandrahana: Olona iray tratra nangalatra vy
Miisa dimy ny olona voarohirohy tamin’ny halatra vy tao Ambatofinandrahana, faritra Amorin’i Mania, tamin’ny volana febroary teo. Nitoby tao amin’ny toeran’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) any an-toerana, ireo vy ireo, izay tokony hampiasaina amin’ ny fandrafetana tetezana. Nametraka fitoriana tany amin’ny zandarimaria Ambatofindrandrahana ny DRTP, ny 22 febroary, ary […]
Aretin’omby « boroka »: maherin’ny 100 tapitrisa Ar isan-taona ny fatiantoka any Ihorombe
Araka ny antontanisa voarain’ny veterinera na ireo dokotera mpitsabo biby, maherin’ny 100 ny reniomby matin’ny aretina « boroka » isan-taona any Ihorombe. Napetraka ny paikady hizarana fanafody sy vitamina ny reniomby hamahana ny olana. Voambolana fampiasa any amin’ny foko bara ny aretin’ omby « boroka », ilazana ny omby mahia sy sahozanina. Vokatry ny […]
TARATRY ny KANTO
Hiresaka ny vehivavy anaty tantara foronina i Mose Njo. Anisan’ireny ny tantara noraketiny anatin’ilay boky “Lisy Mianjoria”. Hatao ny sabotsy 9 marsa izao manomboka amin’ny 8 ora sy sasany, eny amin’ny Sambalia Antsahavola. Fotoana iresahana mivantana amin’ny mpanoratra koa io, ho an’ireo izay efa namaky ilay boky. Tafiditra anatin’ny fanamarihana […]






