Other News

Ady anaty… miseho ivelany

  Misy ady anaty ny eny anivon’ny vondrona na antoko politika amin’izao: iza no ho kandidà aiza? Amin’ny fifidianana depiote io. Misy ny efa mitonon-tena eny amin’ny vahoaka amin’izany fa vonona, ny mandoka tena amin’ny fitanisana zava-bita sy izay mbola hatao, ny matoky tena ka miandry amim-pitoniana izay ho fanapahan-kevitry […]

“Forum Diplomatique 2024 – Antalya”: nanamafy ny fiaraha-miasa i Madagasikara sy i Torkia

Nifarana, omaly ny fivoriana iraisam-pirenena “Forum Diplomatique 2024 – Antalya”, natao tany Torkia. Anisan’ny niatrika izany ny filoha Rajoelina ary nihaona tamin’ny filoha Tiorka, i Recep Erdogan. Nivoitra tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’i Madaga­sikara sy i Tiorkia. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa ho […]

Antanimena: Jiolahy tratra nanendaka tao anaty taxi-be

Noraisim-potsiny! No­sam­borin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) teny Antanimena, ny sabotsy atoandro, ny jiolahy iray. Avy nanendaka renim-pianakaviana iray tao anaty taxi-be ity farany tamin’io fotoana io ka lasa tamin’izany ny vola mitentina 2 tapitrisa Ar. Lasa nitsoaka avy hatrany anefa ity olon-dratsy ity rehefa na­ha­zo ny vola […]

RN1 Zazalahy : 13 taona maty voahitsaky ny kamiao

Ankizilahy 13 taona maty tsy tra-drano nodonin’ny kamiao tapaka hisatra, tao amin’ny lalam-pirenena voalohany, Antan­drokomby Bemasoandro, afakomaly maraina. Nipo­tsaka tampoka ny hisatr’ilay kamiao. Nidina fidinana anefa ny fiara ka nifatratra avy hatrany tamin’ny sarety nentina mpianaka. Tsy afa-niala ilay kamiao nivatravatra intsony ilay zazalahy. Nandriaka ny ra ka tsy tana […]