Other News

Fiaraha-miasa ara-toekarena : hihazo an’i Torkia ny filoha Rajoelina Andry

Anisan’ireo hiatrika ny fihaonana an-tampony “Forum diplomatique d’Antalya”, hatao any Torkia ny filoha Rajoelina Andry. Hotanterahina manomboka ny 1 marsa izao hatramin’ny 4 marsa izany. Anisan’ny mikarakara sy manomana izany ny eo anivon’ny governemanta Tiorka ary tafiditra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-mi­asa ara-toekarena sy ny lafiny diplaomatika amin’ireo firenena afrikana. Maherin’ny […]

INDRAY MIJERY

Fampiainana mivantana ireo toerana manan-tantara sy famohazana ny fitiavan-tanindrazana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny «classe patrimoine», ho an’ny mpianatra ao anatin’ny Cisco Antananarivo-Renivohitra. Mpisera matihanina no niaraka tamin’ireo mpianatra 168 avy ao amin’ny CEG Avaradrova sy ny CEG Betsimitatatra, nitsidika ireo toerana manan-tantara nanomboka teo amin’ny zaridainan’Antaninarenina hatreny […]

Fivoriana any Afrika Atsimo: hatsaraina ny serasera momba ny fifidianana

Miatrika fivoriana any Johannesburg Afrika Atsimo, hatramin’ny anio 29 febroary, ireo rafitra mpikarakara fifidianana amin’ireo firenena miisa 18, mpikambana eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny miatrika izany any an-toerana ny mpikambana eo anivon’ny Ceni, tarihin-dRazafimamonjy Laza. An­isan’ny hiompanan’ny fihaonana amin’izany ny torolalana eo amin’ny haitao ara-kajy mirindra sy ny tambajotran-tserasera amin’ny fiatrehana […]

Kolektifa an’ny Malagasy : mitaky mangarahara amin’ ny Ceni

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Kolektifa an’ny Malagasy, omaly. Hentitra ny fitakian’izy ireo. “Mitaky ny hisian’ny mangarahara izahay”, hoy izy ireo. Anisan’ izany ny tokony hamoahan’ny Ceni ny marina sy ny mangarahara ho azon’ny rehetra vakina sy arahina ny tatitra manoloana ny fanambaran’ny eo anivon’ny Vondrona Eoro­peanina (UE), momba ny […]