Other News

Razanajatovo Raymond: « Samy hafa ny Taombaovao sy ny Alahamady »

Milaza ny heviny momba ny tokony hanavahana ny «Taom­baovao sy ny Alahamady» Razanajatovo Raymond (Pas­teur misotro ronono, mpanoratra, filohan’ny fikambanana Fa­mailahy). Araka ny fanazavana nomeny, fararano fanatanterahana santa-bokatra na santa-bary ny Alahamady». «Talo­han’ ny nahaterahan-dRalam­bo, efa nankalaza io tonon-taona io (santa-bokatra) ireo fanjakana maro madinidinika teto Imerina, Arivonimamo…», hoy Razanaja­tovo […]

“Tamberina sy tsiahy” : haverina manontolo ny hiran’i Jerôme Randria

“Tamberina satria hamerenana ny sanganasan’i Jerôme Randria. Tsiahy ho an-dRailôla koa anefa io”, hoy ny nambaran’i Thony Chriss. Mikasika ilay fampisehoana izay hotontosaina ny alahady 3 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antani­mena io. Hiran’i Jerôme Randria zato sy isan-jato no hotontosain’ireto mpanakanto ireto, amin’io fotoana […]

Esther Randriamamonjy: mahaliana ny olona ny velakevitra sy ny asa sorany

Ankavitsiana sisa ny mpanoratra ao anatin’ny fandaharam-pianarana mbola velon’aina, ankehitriny. Anisan’izany i Esther Randriamamonjy. Mahazo tombony manokana ireo miatrika ny fampirantiana ataony, noho ny fahafahana mitafa mivantana aminy. Ao anatin’ny fampirantiana ny sanganasan’i Esther Rasoloarimalala Randria­ma­monjy, ny ao amin’ ny Tranomboky Monisipaly Analakely, amin’izao fotoana izao. Hetsika nanomboka ny 23 febroary ary […]

Andron’ny sekoly : fotoana hanehoana firaisankina eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra

Mbola ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny se­koly ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasi­kara amin’izao fotoana izao. Ma­ro ny hetsika nen­­tin’ny sekoly ankalazana iza­ny. Fotoana ha­nehoana firaisankina eo amin’ny samy mpianatra sy ny tomponandraikitry ny sekoly izany. Nanomboka omaly ary hifarana ny 1 Martsa izao izany, araka ny tetiandro navoakan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. […]

FANTINA sy FINTINA

Hanohy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasi­kara ny International finance corporation (IFC) amin’ ny fampandrosoana ny tontolon’ny fiompiana eto Mada­gasikara. Voaresaka ireo sehatra laharam-pahamehana toy ny ronono, ny hoditra ary ny fitanterana sakafo mora simba. Hojerena ihany ny paikadim-pampandrosoana ny sehatry ny henan’omby. Tanterahina ao amin’ny faritra Atsinanana ny drafitrasa “Fia Mora” […]