Hiditra amin’ny andro fahafito ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, ny alahady ho avy izao. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hanamarika izany ny fihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny CEA Andranomanalina. Hangotraka sy hanana ny lanjany manokana io lalao io satria hamaritra ny mety […]
Other News
Barean’i Madagasikara : Raikitra ny fampivondronana ny mpilalao
Fantatra omaly fa efa nalefa any amin’ny mpilalao tsirairay avy ny taratasy fampiantsoana azy ireo amin’ny fanatevenana ny ekipam-pirenena Barea. Hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana izy ireo amin’ity volana ity. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, dia efa nahazo ny taratasy fampiantsoana azy avokoa […]
TARATRY ny KANTO
« Sôvan’jazz », eny amin’ny La Garage Antsahavola. Fiarahana hafa indray ity hiseho ny zoma izao ity, manomboka amin’ny 8 ora alina. Fampiarahana talentan’ireo tanora mpanakanto samy manana ny maha izy azy : Tsanta Randriamihajasoa eo amin’ny vata maroafitsoka sy ny trompetra, Tonny Toufa Loux eo amin’ny zavamaneno ravaka, Sandratra Andria eo amin’ny […]
Andro maneran-tany ho an’ny poezia : Hanamarika izany ny Havàtsa-Upem
Andro maneran-tany ho an’ny poezia. Toy ny fanaony isan-taona, hankalaza io vanim-potoana io ny Fikambanan’ny mpanoratra sy ny poety malagasy, Havàtsa-Upem, ny 21 marsa izao. Hotanterahina manoloana ny Tahala Rarihasina Analakely ny « Tabataba an-tononkalo an-tokotany », amin’io andro io. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ka mandra-pahariva. Tsy natokana ho an’ny mpikambana […]
Hisy Hetsika maro : 100 taona, Clarisse Ratsifandrihamanana
Mankalaza ny faha-100 taona nahaterahan’ny mpanoratra, Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana (CAR) ny taranany, amin’ity taona 2026 ity. Hetsika maromaro no hotanterahina, raha ny fandaharam-potoana novolavolain’izy ireo. Miatomboka amin’ny fampirantiana ny asasorany ao amin’ny Trano Sary, Ambohidahy, ny alarobia 8 avrily, maraina, ny hetsika. Fanombohana sady fitokanana, rahateo, ny efitra fampirantiana amin’ny […]






