Nahemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny hetsika nokasain’ny ARFM hatao eny Mahamasina, anio. Anton’izany ny tsy nahazoana alalana tamin’ny fitondram-panjakana. Mbola hifampiresaka sy hifandamina amin’izay tomponandraikitra amin’izay fanomezan-dalana hahazoana manatanteraka ny hetsika ry zareo. Nisy ny fivoriana an-jotra, niresahina ny akony ara-barotra azon’i Madagasikara, amin’ny fisian’ny Zone libre-echange continentale […]
Other News
HCC : ny famosirana ihany no tokony ho sazy mihatra
Ny famosirana fandidiana ihany no tokony ho sazy mihatra amin’ireo mpanolana zaza, araka ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, omaly. Nomeny ny alalana ny famoahana ny fepetra sasantsasany amin’ny volavolan-dalàna manitsy ny fehezan-dalàna famaizana sy ny fampidirana ny famosirana amin’ny alalan’ny fandidiana, izay anisan’ny fanasaziana mampahory sy mahamenatra amin’ny […]
Mpifahavalo miray vilia
Raikitra ity! Efa manomboka ny fampivondronana ny ekipa, hilalao amin’ny fifidianana depiote, ny 29 may 2024. Efa miakatra aty an-dRenivohitra ireo mihevitra ny ho kandidàn’ny antoko manohana ny filohan’ny Repoblika. Mafotaka ny adisisika sy ny ady toerana. Efa mifanipaka an-toerana toa valala an-karona rahateo izy mianakavy. Tsy mbola misy […]
Ravalomanana Marc: “Mijoro hanolotra kandidà iraisana ny Firaisankina “
Nanambara ny avy amin’ny antoko Tiako Madagasikara fa vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana manaraka eo ry zareo. Hanambatra ny heriny izy ireo, araka ny nambarany. “Handray anjara feno amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana eny anivon’ny kaominina manerana an’i Madagasikara. Hiray hina izahay ka hanambatra ny herinay rehetra hiatrehana […]
Antohomadinika IVO : mpangalatra moto voasambotra
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny CSP4 ny lehilahy iray mpangalatra moto tetsy Antohomadinika IVO, afakomaly. Naharay fampahafantarana avy amin’ny vehivavy iray ny polisy fa very nisy nangalatra tao amin’ny faritry ny ANS Ampefiloha ilay kodiaran-droa nandritra ny fankalazana ny hetsiky ny skoto. Marika Yamaha io moto io ka […]






