Other News
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ Itasy, taranja baolina kitra, sokajy lahy sy vavy. Miditra amin’ny andro faharoa ny fifaninanana ho an’ny vehivavy. Ao Analavory no hanatontosaina izany, ho an’ny sokajy vehivavy. Kianja telo kosa no handray ny lalao ho an’ ireo lehilahy. Tsy […]
Beach soccer : tsy nivoaka vondrona ny Faraonan’i Egypte
Nofaranan’Italia ny dian’i Egypte, solontenan’i Afrika amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja “Beach soccer”. Mbola manana fanantenana i Sénégal. Tanterahina ao amin’ny kianja Dubai Design Disctrict Stadium, ao United Arab Emirates, nanomboka ny 15 febroary lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra lalaovina eny amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Nitsidika ireo tolotra ara-pahasalamana ho an’ny traboina vokatry ny fiakaran’ny rano nandritra ny rotsakorana naharitra teto an-dRenivohitra ny delegasion’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny fokontany Andrefan’i Mananjara, boriborintany fahefatra, no notsidihina niaraka tamin’ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ary nanolotra fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo tokantrano tra-doza miisa 489, […]
«Afrobasket Men 2025» : 12 mirahalahy hanafika any Egypte
Nanainga omaly, nihazo an’i Le Caire renivohitr’i Egypte, ny ekipan’ny Ankoay, lehilahy. Hiatrika ny dingana voalohany ho an’ny fifanintsanana «Afrobasket Men 2025» izy ireo. Fihaonana hatao ny 23 ka hatramin’ny 25 febroary ho avy izao. 12 mirahalahy ny mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona «D» no misy […]






