Hamboly hazo ny fikambanana ivondronan’ny mpianatry ny oniversite miankina na tsia amin’ny fanjakana avy any amin’iny distrikan’Andramasina na Manda. Hotanterahina ny sabotsy izao, any Andramasina, izany. Hiara-dalana amin’izany koa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao eo amin’ny mpikambana sady fitsangatsanganana rahateo, ao amin’ny espace Viser loin Andramasina. «Tanjon’ny fikambanana ny […]
Other News
Fitsarana : hampiasaina ny « Diary fanarahan-draharaha »
Ho fanamorana sy hisorohana ny kolikoly eny amin’ny fitsarana, napetraka ny « Diary fanarahan-draharaha ». Fomba fiasa vaovao eny anivon’ny fitsarana izany. Hampiasaina eny amin’ ny fitsarana ny «Diary fanarahan-draharaha» ( Carnet de Suivi). Ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana no nanolotra izany teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, omaly. […]
INDRAY MIJERY
171 ny ankizy manana olana amin’ny fiarahamonina raisina an-tanana eny amin’ny akany Avoko. 29 amin’ireo napetraky ny mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona eny an-toerana, taorian’ny fanolanana nahazo azy ireo. 25 ankizivavy ary efatra ankizilahy. Matetika ny olom-pady sy ny fianakaviana ihany no mahavanon-doza manolana azy ireo. Manao antso […]
Jono: Malalaka ny fihariana dingadingana
Kitro ifaharan’ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny jono. Midadasika rahateo ny farin-dranomasina ka azo trandrahina tsara ny harena an-dranomasina. Nampahafantatra ny dingadingana na zanga (Concombre de mer) ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, omaly, teny Ampandrianomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fiompiana ity karazana hazandrano ity […]
ONG Indri: Hamorona ala 15 ha any Bongolava
Namolavola tetikasa ny fikambanana ONG Indri tamin’ny novambra 2023 teo, hamoronana ala any amin’ny faritra Bongolava. Tafiditra ao anatin’ny boky torolalana, ahitana paikady miisa 10 hampahomby ny famerenana ny ala eto Madagasikara ity tetikasa ity. Hanentanana ny mponina sy ny besinimaro hampihatra ny fomba tsara sady hitondra voka-tsoa amin’ny fambolen-kazo […]






