Other News

Aretina choléra : vokatry ny tanana maloto ny tena mahatonga azy

Betsaka ny aretina mety hiseho sy mahazo ny an­kamaroan’ny olo­na rehefa fo­to­an’ny orana ta­ha­ka izao. Ani­san’ izany, ny fièvre typhoïde, aretim-pivalanana, ny ta­zo­­moka, ny aretin-kibo maro sa­mihafa, ny cho­léra, ny lagaly, ny cysticercose… Azo avy amin’ny tanana maloto sy ny sakafo manta misy mikraoba ka tafiditra any am-bava avokoa ireo […]

FANTINA sy FINTINA

Teboka iray goavana tao anatin’ny fifampiresahan’ny filoha Rajoelina sy ny Praiminisitra indianina, i Narendra Modi, tany Dubaï, afakomaly, ny fanoloran’ny governemanta indianina fiaramanidina an’i Madagasikara ho amin’ny fiarovana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafara­vavitafika. Hatolotra amin’ny fomba ofisialy mialoha ny 26 jona izany. Nifarana vonjimaika omaly ny fisoratana […]

Andriantsizehena Benja Urbain : “Omeo sehatra ny antoko politika hofidina”

“Tsy misy kajikajy politika io”, hoy ny filoha nasionalin’ny RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain, manoloana ny fanehoan-kevitry ny antoko na mpanao politika sasany fa misy kajikajy politika ny volavolana tetiandrom-pifidianana naroson’ny Ceni ho an’ny governemanta ny amin’ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana kaominaly. Kianjan’ny demokrasia ny Antenimierampirenena, kianja politika. Ny dikan’izay: […]

Olona… olana

  Tsy fandriampahalemana etsy sy eroa, fihanaky ny zava-mahadomelina, fanolanana… Inona koa? O rey olona e, fiarahamonina inona loatra no iainana amin’izao? Olona avokoa no iavian’izany karazan-doza izany, olona koa no ianjerany sy mitondra faisana. Sanatria, misy ny olona mihabiby: tsy mahalala izay tokony hataony, tsy mahaavaka ny tsara sy […]

Trangana fanolanana : ho fiarovana ny zon’olombelona ny fanitsiana lalàna

Nitondra fanazavana ny minisitry ny Fitsarana momba ilay lalàna nasiam-panitsiana amin’ny famaizana ny mpanolana. Ho fiarovana ny zon’olombelona izany, araka ny nambarany. “Tsy maintsy nitondra fanitsiana ny fehezan-dalàna famaizana ny fitondram-panjakana, ka nametraka ny fanaovana fa­mosirana mba ho fiarovana koa ny zon’olombelona sy ny zon’ireo zaza iharan’izany ha­bibiana izany”. Io […]