Mpandeha iray namoy ny ainy vokatry ny fivadihan’ny fiarabe iray tao Vohemar, faritra Sava, omaly. Nifatratra tamin’ny andrin-jiro lehibe io fiara io ka nivarina tany anaty rano. Olona iray maty tsy tra-drano. Ankizilahy 14 taona lasan’ny rano tao amin’ny vinany Intendro Sahavola, Fenoarivo Atsinanana, afakomaly tamin’ny 10 ora. Nilalao rano […]
Other News
By-pass : mpitondra moto maty notetezin’ny kamiao
Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto scooter iray teny By-pass mihazo an’Iavoloha, omaly alina tokony ho tamin’ny 8 ora. Nikasa hianatsimo ilay mpitondra moto. Nifanojo tamin’ny mpitondra bisikileta iray avy any amin’ny lalam-pirenena fahafito izy. Samy tao anatin’ny hafainganam-pandeha, niala tampoka io bisikileta nifanitsy taminy io ilay lehilahy nitaingina moto. […]
Halatra omby: dahalo roa lahy voasambotra
Saron’ny mpitandro filaminana ireo dahalo roa lahy nitam-basy nangalatra omby tao Ankililaoka, Toliara, afakomaly. Nentin’izy roa lahy ireo nandositra ny omby roa. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana alina ireo dahalo. Raikitra ny fisamborana. Noraisim-potsiny ny fitaovam-piadiana teny aminy sy ny bala fampiasany. Nogiazana ireo omby halatra roa ka naiditra am-balam-pamonjana. […]
Nanafika fiara nitondra vola : jiolahy 3 naiditra eny Tsiafahy
Nanaovan’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava fanadihadiana lalina, tratra avokoa ary naiditra eny Tsiafahy ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana teny Anjohy, ny sabotsy 10 febroary teo. Vehivavy ny iray amin’ireo olona efatra voasambotry ny mpitandro filaminana momba ny fanafihana fiara iray nitondra vola teny Anjohy, fiantombohan’ny volana febroary teo. Norobain’ireo olon-dratsy […]






