Other News

Maintirano : lavon’ny bala i Tanory

Maty voatifitry ny zandary nandritra ny sakoroka tao anaty sasak’alina ny dahalo mpangalatra omby iray. Naka omby antsokosoko tao anaty vala, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy tao amin’ny fokontany Manapape, kaominina ambanivohitra Andranovao, distrikan’i Maintirano, afakomaly alina. Nigadona tao amin’io tanàna io ireo dahalo ireo tamin’ny misasak’alina. […]

Ambohijanaka : mpamaky trano niharan’ny fitsaram-bahoaka

Voasambotry ny fokonolona ny lehilahy 18 taona mpamaky trano tao Amboniakon­dro, kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray teny an-toerana io tontakely io ka nibata ny volany sy izay ni­fanandrify taminy. Nitsai­tsaika nivoaka moramora izy nitondra ny entana halatra. Tsika­ritry ny manodidina anefa io mpangalatra io. Nifanenjehan’ ny […]

INDRAY MIJERY

Hitohy hatramin’ny 18 febroary ny rotsakorana ho an’ny faritra avaratra, avaratra andrefana, avaratra atsinanana, afovoany atsinanana ary ny faritra sasany eto amin’ny afovoan-tany ka mety 100 mm ao anatin’ny 24 ora any amin’ny faritra sasany. Nandefa filazana fampitandremana ny foibe famantarana ny toetry ny andro, vokatr’izany. Handefa maimaimpoana horonantsary japoney […]

Rajaonarimampianina Hery: “Hitohy amin’ny endriny maro ny tolona…”

“Ho fanavotana ny tanindrazana sy fikatsahana izay mahasoa ny taninjanaka no efa nitolomantsika ary mbola hitolomantsika mandraka an­ke­hitriny”, hoy Rajaonarimam­pianina Hery, filoham-pirenena teo aloha. Ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanaparam-pahefana, ny fampahoriana ny vahoaka malagasy sy ny famotehana ny toekarem-pirenena ary ny tsy fandriam-pahalemana izay sady mamono no mandringana ny […]

Fiatrehana fifidianana : manolo-kevitra amin’izay mila jerena maika ny Hetsika Rohy

Heverina fa ilaina maika ny fiverenana fijerena ny lalàna fehizoro lah. 2018-008 mifanaraka amin’ny fifidianana ankapobeny sy ny fitsapan-kevi-ba­ho­aka, singanina amin’izany ireo mifandraika amin’ny fepetran’ny fangaraharan’ny fandaniana amin’ny fifidianana, araka ny fanambaran’ny He­tsika Ro­hy, misy fikambanana 78 nanao sonia, nampitainy tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly. Eo ny fanalalahana ny toerana iombonana amin’ny […]