Other News

Fandaharanasa: produir Nijery ifotony ny asa ny Banky Iraisam-pirenena

Anisan’ny notsidihin-dRtoa Victoria Kwakwa, filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena, misahana ny ilany andrefana sy atsimon’Afrika, ireo tetikasa vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Isan’izany ny Fandaharanasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy ny fiatrehana ny voina eto Antananarivo (Produir). Notsidihin-dRtoa Victo­ria Kwakwa, ny asa fanarenana ny fefilo­han’Ikopa sy Sisaony, ny 5 desambra teo. Mizara […]

Tenisy – Mada 2022 : manjaka i Vakinankaratra

Nitohy omaly talata, tao amin’ny kianja Acmil An­tsirabe, ny fiadiana ny ho tom­pondakan’i Madagasi­kara, taranja tenisy. Raha ny vokatra, saika nandresy avokoa ireo mpilalao avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra, mpam­piantrano, eo amin’ny sokajy “veterans”, izay na­ha­zoan’izy ireo fandresena miisa 4. Anisan’izany, i Mam­pianina, nandavo an’i Eric avy any Antsinanana, tamin’ny seta […]

Basikety-Africa Cup 3×3 : nahazo fankasitrahana ny Ankoay lahy sy vavy

Tompondakan’i Afrika, ta­ranja basikety 3×3, ny Ankoay lehilahy, tompondaka lefitra kosa ny Ankoay vehivavy. Vokatra tsara misongadina amin’ny tantaram-pirenena sy ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny Fe­derasiona malagasy ny basikety, Ramaroson Jean Michel, tetsy Mahamasina. Mpilalao lehibe teo anivon’ny FMBB avokoa izy 8 mianadahy ireto izao nahazo […]

Karate – “Afrika 2022” : Samy miziriziry i Emile sy i Solofo

Niara-nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny delegasiona malagasy taranja karate mi­isa roa, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, omaly. Samy nitondra ny fanazavana mahakasika ny zava-nitranga tany Durban ny andaniny sy ankilany. Nanamafy Ratefinanahary Emile fa izy no efa neken’ny UFAK sy ny WKF ho filoha mpitantana ny federasion’ny karate-do […]

Lalaon’ny CJSOI 2022 : «Tsy misy laharana ka tsy laharam-pahamehana», hoy i Tinoka Roberto

Mbola niteraka resabe, teo amin’ny rehetra, omaly, ny tsy fandraisana anjaran’i Madagasikara, tamin’ny lalaon’ny CJSOI 2022, mizotra ao Maorisy, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny minisitra Tinoka Roberto fa tsy laharam-pahamehana izany. Nahoraka teny anivon’ny tambajotran-tserasera, ny mahakasika ny tsy fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny lalaon’ny vaomieran’ny tanora sy ny fanatanjahantena eto anivon’ny […]