Other News

Tafaverina ny omby : dahalo iray voasambotra

Tafaverin’ireo miaramila miasa ao Belo Tsiribihina, om­aly, ireo omby voaroban’ ny dahalo tao Bemahasoa, kaominina Bezezika distri­kan’i Mahabo. Voasambotra nandritra izay koa ny dahalo iray isan’ireo nandroba ireo omby miisa 38 isa. Azo ihany koa ny basy nampiasainy. Taorian’izay, natolotra an’ireo zandary mpanao famotorana ity malaso ity. Ankoatra izay, nitrangana […]

Nampiasa vola sandoka : ankizy tsy ampy taona naiditra am-ponja

Tovolahy iray tsy ampy taona no nigadra rehefa avy niantsena tamin’ny vola sandoka teny Sabotsy Namehana. “Avy any ambanivohitr’Ana­la­vory ity tovolahy ity ka niakatra eto an-drenivohitra nitady hamelomana ireo fianakaviany”, hoy ny loharanom-baovao iray. Tsy nahavelona azy eni-mianaka intsony ny rainy ka nanampy azy nitady vola ity zanany. Nanofa trano […]

Raharaha “Malama” : Nahemotra ny fitsarana

Voaantso teny amin’ny fitsarana Anosy i Mahery Lanto Manandafy (Malama) omaly maraina. Ny raharaha mikasika ny famoaham-baovao tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, momba ilay vazaha (Olivier Blancard) mpamatsy bala ny dahalo ity niakarany fitsarana ity. Tsy tonga teny an-toerana io vazaha nitory azy io satria tsy nahavoaray ny fiantsoana azy, raha ny […]

Vehivavy novonoina: voaheloka 15 taona an-tranomaizina ilay nahavanon-doza

Miverina karohina indray ilay raim-pianakaviana nahazo fahafahana vonjimaika ny taona 2020 taorian’ny voka-pitsarana azy tao Toamasina, omaly. Voaheloka tamina raharaha fanolanana niharo vono olona izy. Niakatra fitsarana ireo fito mianadahy voarohirohy tamin’ny raharaha fanolanana niafara ta­min’ny vono olona tao An­tsa­tokomby fokotany Andilana kominina ambanivohitra Saranambana disitrikan’ i Fenoarivo atsinanana faritra […]