Ny 1 desambra 2022, nandray ny fiarakodia 4×4 enina (06) avy amin’ny tetikasa fampandrosoana sy fanamorana ny varotra – PACFC (1) ny minisiteran’ny Indostria, varotra sy fanjifana (Micc). « Afaka ny sakana ara-materialy. Hanafaingana ny fanatanterahana ny asa ny fahazoana ireo fitaovaona ireo”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny Micc, Rakotondramanana Onja Miandry. […]
Other News
Fotodrafitrasa: mikatso ny ankamaroan’ny eto Toamasina
Lasa misy mpiasa miasa amin’ny alina ny fananganana ny fotodrafitrasa sasany, izay efa niato nandritra ny fotoana maro eto Toamasina, ankehitriny. Tsy fantatra ny antony, na hisy olom-panjakana na mety ho ny filoham-pirenena mihitsy ve no ho avy aty an-toerana ato ho ato? Mikatso ny ankamaroan’ny asa fanamboarana fotodrafitrasa eto […]
Karate: samy hitondra fanazavana i Solofo sy i Emile
Hitodi-doha hiverina eto Madagasikara ny delegasiona malagasy avy amin’i Solofo Barijaona sy i Emile, rehefa avy niatrika ny fiadiana ny tompondaka natao tany Durban, ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ho samy manan-kambara hanazavana ny toe-draharaha nisy tany an-toerana ny andaniny sy ny ankilany, amin’ ny fahatongavan’izy ireo rahampitso, izay inoana […]
Judo – Grand Slam de Tokyo: Resy tamin’ny Ippon i Lova Mahaisoa
Nifarana omaly, tany Tokyo Japan, ny fifaninanana « Grand Slam de Tokyo »n taranja Judo. Tsy nahomby ny solontena malagasy nandray anjara, Randrianasolo Lova Mahaisoa, izay nihintsana tamin’ny dingana voalohany, tamin’ny alalan’ny Ippon, nanoloana ny mpifanandrina taminy, i Stodolski Adan, judokas Polonais, sokajy latsaky ny 73 kg. Judokas tokana nifaninana […]
Cross-Country – «Mada 2022»: ho any Aostralia i Clement sy i Nathalie
Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2022, eo amin’ny taranja Cross-country i Voninahitsy Clement, atletan’ny Cosfa Analamanga sy Rasoaniaina Nathalie avy amin’ny Cami Itasy. Araka izany, hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany hatao any Bathurst Aostralia, ny 18 febroary 2023 izy ireo. Ireo no vokatry ny fifaninanam-pirenena, notanterahina […]