Niatrika ny fifaninanana “Africa Cup 3×3”, taranja basikety, ny faran’ny herinandro eto, ny ekipa malagasy Ankoay lehilahy sy vehivavy. Tsara fanombohana ny sokajy vehivavy nanoloana ny Toniziana ka nahazo ny fandresena tamin’ny isa 18 no ho 16, raha resin’ny Egypta tamin’ny isa 18 no ho 17 kosa ny Ankoay lehilahy. […]
Other News
Kitra – “Orange Pro League 2022”: rava tsy lera ny lalaon’ny Ajesaia sy ny TFFC
Tsy tontosa hatramin’ny farany ny lalaon’ny Ajesaia Bongolava sy ny Tsaramandroso Formation Boeny (TFFC). Fihaonana, notanterahina teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, omaly alahady ary tafiditra amin’ny andro fahatelo, ho an’ny kaonferansy avaratra. Niato teo amin’ny minitra faha-87, noho ny fifandonan’i Feno, mpilalaon’i Bongolava sy ny mpiandry tsatobin’ny TFFC, ka nahatonga ny fifampikasihan-tanana, […]
Bodybulding-Tompondaka eran-tany: hiakatra an-tsehatra rahampitso ny Malagasy
Bokona hozatra malagasy 5 mianadahy no nihazo an’i Thailande hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja Bodybulding. Vonona tanteraka izy ireo hiambozona medaly. Hanomboka rahampitso any Thailande ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja bodybulding. Manana solontena 5 mianadahy ny Malagasy, ahitana an-dRandrianarimanana John Mario (Bigman), Marinjara Maurice, Andriatsilavina […]
Seho sy boky: nahasarika olona ny “Vahindanitra”
Araka ny efa nampoizina, nahaliana olona maro, mpianatra, mpampianatra, mpankafy literatiora sy mpikaroka isan-karazany ny hetsika “Vahindanitra” notanterahin’i Riva, ny zoma 2 desambra teo tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Ankoatra ny seho an-tsehatra, nomarihina tamin’ny tsangambato famoaham-boky “Vahindanitra” izany. I Mampandriniaina Manitra teo amin’ny fanentanana. Namelona ny seho tamin’ny fiantsana ry […]
Tsiahy Kaiamba: nafana ny hetsika, vitsy ny mpijery
Nihaona tamin’ny mpankafy azy, tetsy Antsahamanitra, omaly tolakandro, ny tarika Kaiamba. Seho nokarakarain’ny avy ao amin’ny Baobab Prod. Nafana ny hetsika na dia vitsy aza ny mpijery tonga teny an-toerana. Saika tazana teny an-toerana avokoa ny sokajin-taona rehetra. “Tsy lefy laza ny tarika Kaiamba, fa mbola manana ny mampiavaka azy”, […]