Other News

Kabary malagasy : hankalaza ny faha-60 taonany ny Fimpima

Hosokafana amin’ny fom­ba ofisialy ny 15 Febroary ho avy izao ny ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny fi­kambanan’ ny Mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpi­ma). Hatao etsy amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy etsy Tsimbazaza ny lanonana. Hotolorana mari-boninahitry ny kanto avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (mpiahy ny hetsika), ireo mpikabary nahafeno fe­petra. […]

« Saint Valentin » : manan-tsafidy maro ireo mpifankatia

Herinandro ho an’ny mpifankatia. Satria tsy rahampitso fotsiny fa hatramin’ny alahady dia hisy hetsika maro hanamarihina ny « Saint Valentin ». Manan-tsafidy amin’ny endriny sy ny karazany izay hankalaza izany. Tsy hiverenantsika ny nahalasa ho fetin’ny mpifankatia ny « Saint Valentin ». Fa ny iraisana maneran-tany aloha dia natokana ho azy ireo ny andron’ny 14 feroary. Nianjera ho […]

Kilalao fanorona : mahomby amin’ny zava-drehetra ataony ny mpandresy

Mieritreritra ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny tanora ankehitriny, fa fandaniam-potoana ny fano­rona. Kilalaon’ny tsy manan-katao. Variana amin’ny lalao nampidirin’ny vahiny toy ny hazakazaka vitsika, ludo… izy ireo. “Efa mitady ho faty ny kilalao fanorona eto Madagasikara satria ny mpitandro filaminana mihitsy no mandrava izany eny an-dalana eny”, hoy i Herindrainy Jean Patrick, filohan’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nisy ny fihaonana teo amin’ Andriantsitohaina Naina, minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, sy i Claire Pierangelo, masoivohon’i Etazonia, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny famelomana indray ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta eo amin’ny fiarovana ny tany sy fanavaozana ny fananan-tany no votoatin-dresaka tamin’izany. “Be kajikajy politika loatra […]

Fiatrehana fifidianana: miantso ny olom-pirenena hifidy ny FFKM

Miantso ny olom-pirenena hanatona ny biraom-pokontany ny FFKM ary hanamarina ny rejisitra, raha voasoratra ny anaran’ny tena sy ny ankohonana na tsia. Araka ny antso nosoniavin’ny filoham-piangonana efatra, ny 5 febroary lasa teo izany. Notsiahivin’izy ireo fa araka ny hafatry ny komity foibe faha-45 tany Fianaran­tsoa, ny 28-30 novambra 2023, […]