Other News

Fifampikasohana herinaratra: trano fivarotana dimy kilan’ny afo

Nitrangana haintrano ma­hatsiravina tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitaly Be, eo amin’ny “Rond point ” ambody tetezana Tanamakoa, ny zoma 9 febroary, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. “Efa ela izahay no nampandre ny Jirama fa matetika misy manjelanjelatra na mitselatselatra ny tariby mitondra herinaratra amin’ io andrin-jiro io fa tsy […]

Mahaboboka – Toliara: Taksiborosy nahatrarana zanaka baobab 24 gony

Mirongatra hatrany ireo manararao-paty manimba ny ala arovana. Lehilahy iray sarona nitondra zanaka baobab tao anaty gony. Noraisim-potsiny! Sa­ron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-pa­ritra Mahaboboka ny taksiborosy iray nitondra jabohy (za­naka baobab) 24 gony, ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’ireo hazo sarobidy ka mila arovana ireto karazan-kazo mampiavaka ny faritra […]

INDRAY MIJERY

Miverina mirongatra indray ny valanaretina lefakozatra, hoy ny filohan’ny fikambanana Fitia ka manentana ny rehetra hitondra ny ankizy hatao vaksiny fanefitry ny aretina izy. Maimaimpoana ny fanatanterahana ny vaksiny eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy. Ny zaza latsaky ny 5 taona tsy vita vaksiny no tena marefo manoloana ny […]

Kagami Biraki : fomba fanao isan-taona ho an’ny taranja Judo

Nankalazaina teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Ma­hamasina, ny Kagami Biraki, ny sabotsy lasa teo. Fankalazana izay efa fanaon’ny fianakaviamben’ny Judo, rehefa fiandohan’ny taona toy izao, ny Kagami Biraki. Kolontsain’ny Judokas niforona ny taona 1884 tamin’ny alalan’ny Shihan Jigoro Kano, ity fomba ity, izay tena mamaritra izany taranja Judo izany. “Tsy fifaninanana […]

Basikety-“De la rue vers l’or” : hifantenana izay hanao ny “lalao Afrikanina”

Hatao ny 16 hatramin’ny 18 febroary izao, eny amin’ny ivontoerana Cnaps Von­to­vo­rona, ny dingana farany amin’ny tetikasa “De la rue vers l’or”. Tetikasa amin’ny alalan’ny fifaninanana basikety 3×3, karakarain’ny federasiona ma­la­gasin’ny basikety, miaraka amin’ny FIBA Afrika. Efa samy nahavita ny fifaninanana avy ny ankamaroan’ny ligim-paritra, misy kosa ireo izay mbola […]