Nisokatra omaly, ny antso fahavononana hanolotra tetikasa famoronana sarimihetsika, tohanan’ny vondrona televiziona Canal+ Madagasikara. Fifaninanana natokana ho an’ny vehivavy mpanatontosa sarimihetsika, mpilalao ary mpamokatra, ka maharitra 1 minitra hatramin’ny 45 minitra ny faharetany izy ity. Havoaka ny 15 sy ny 16 marsa ho avy izao ireo horonantsary, ao amin’ny efitrano […]
Other News
Fampandrosoana : manampy ny tantsaha ny Zazamanga
Nambaran’ny filohan’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga, Rakotondravao Sarobidy, fa misehatra amin’ny tontolo ambanivohitra sy eny an-drenivohitra izy ireo. “Betsaka ny dingana efa natao fa tanjona ny hivoaran’ireo mponina mba ho afaka hamokatra sy hahavelona ny tenany, amin’ny alalan’ ny fambolena sy fiompiana”, hoy izy. Anisan’ny misitraka izany ny kaominin’Ambato, distrikan’Ambohidratrimo. Nanampy […]
Fiaraha-miasa: manohana ny PGE ny Unicef
Manohana ireo fandaharanasam-panjakana ny Unicef. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona. Anisan’ny iray amin’ireo andry telo lehiben’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana na ny Politique générale de l’Etat (PGE), amin’ izao fe-potoam-piasana vaovaon’ny filohan’ny Repoblika izao izany. Nivoitra izany tamin’ ny fihaonan’ny solontena maharitry ny Unicef vaovao eto Madagasikara, […]
TARATRY ny KANTO
Oxow – Fara West Faravohitra. Hitondra ireo mpankafy any amin’ny tontolon’ny « blues rock » indray ry zalahy, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Midadasikabe ny mozika lalaovin-dry Eric Rakotoary, Nali Rabarison, Titi Razakamiadana ary Andry Ramamonjisoa, mandritra izany. Ireo efa mpanaraka ny Oxow dia mahalala tsara ary tsy mety ho afapo. […]
« Festival Fanorona » : tanjona ny hampahafantatra ny maha izy azy
Tanterahina anio sy rahampitso, eny eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Ambohidratrimo, ny “Festival Fanorona” andiany voalohany. Ho hita, mandritra izany, ny fifaninanana fanorona sy velakevitra manodidina izany. Hisy ihany koa ny tranoheva sy fampirantiana mahakasika ity kilalaon-tsaina malagasy ity. Mbola hisy ny hetsika maro samihafa entina mandravaka ity hetsika ity, ankoatra ireo. […]






