Nitokana fotodrafitrasa maromaro tany Moramanga ny filoha, Rajoelina Andry, omaly. Nambarany fa vonona hampandroso ny firenena ny tenany. Notsiahiviny fa anisan’ny nahazoany fandresena amin’ny taha 70% tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tany an-toerana. Nankasitrahany ny vahoaka tamin’izany ary nambarany fa nankinina tamin’Andriamanitra iny fifidianana iny. Tanteraka izany rehefa nankinina taminy ny […]
Other News
TSELATRA
Nitondra fanazavana ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana momba ny hetsika « Opération Harato II ». Nisy ny vokatra hatramin’ny volana janoary teo. Ankoatra ireo olona 24 voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ny ben’ny Tanànan’Andranomiely, olona efatra hafa andalam-pisamborana satria ahina ho tompon’antoka tamin’ny vono koa. Olona nandeha lakana vao maraina no […]
Toliara : tratra ireo efa-dahy mpangalatra voamaso
Efatra mirahalahy mpangalatra voamaso, ao amin’ny fokontany Antaravay salimo, kaominina ambanivohitr’i Toliara, voasambotry ny zandary, omaly. Renim-pianakaviana manodidina ny 30 taona hita faty tsy nisy voamaso intsony tao amin’io fokontany io, ny 1 febroary teo. Notsatotsatohan’ireo tsivahalara antsy io ramatoa io. Nokendain’ireo olon-dratsy izy ary nalana teo aminy ny voamaso […]
Toamasina : mpangalatra fiara voasambotra
Tratran’ny mpitandro filaminana teo anelanelan’i Savalaina sy Ambalarondra, RN2, ny lehilahy iray nangalatra taksiborosy, tao Toamasina, afakomaly. Nipetraka teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy tao amin’ny « Gare routière » io fiara io, ny alarobia 7 febroary teo. Nosokafan’ny jiolahy ny varavarana ka lasany io fiara io. Niverina hiditra ao anatiny ny mpamily saingy […]
Mirongatra ny famonoan-tena : raim-pianakaviana telo indray maty tao Toamasina
Tratran’ny famoizam-po tampoka tao anatina trangam-piainana samihafa ireo raim-pianakaviana telo namono tena tao Toamasina, ny talata teo. Trosa tsy voaloa amin’ny banky sy fisaraham-bady no tena anton’izany… Tsy ny tovovavy ihany! Tao anatin’ny herinandro, raim-pianakaviana telo indray namono tena tao Toamasina. Ho an’ny tranga voalohany, raim-pianakaviana 31 taona monina ao […]






