Other News

Fampiroboroboana ny angovo azo havaozina: misokatra ny antso an-tetikasa ho an’ny FIER

Vahaolana entina hampihodinana ny fiainana andavanandro sy ny tontolon’ny fandraharahana ny fisitrahan’ny tokantrano tsirairay ny angovo azo havaozina. Nampahafanta­rina, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy ny tetikasa «Finance­ment intégré pour les énergies renouvelables » (FIER), tahirim-bola ho an’ny angovo azo havaozina. Te­tikasa hanaovana tohana ara-teknika sy ara-bola ho an’ny sehatra tsy miankina […]

VAOVAO TAMBATRA

Azo ahena 15 andro ny fanaovana tolobidy amin’ny tsenan’asam-panjakana. Tokony ho 30 andro io fe-potoana io, saingy misy ny andinin-dalàna mamaritra io fampihenana io, fa tsy maintsy ankato­avin’ny filankevitry ny minisitra kosa anefa. Anisan’ny antony hanaovana izany ny tranga amin’ny fanaovana asa maika noho ny hamehana. Bankin-tsakafo miisa 10 no […]

Sandam-bola : mitontongana ny vola malagasy

Ain-dehibe ho an’ny firenena ny tanjaky ny vola sy ny toekarena ananany. Singa iray ao anatin’ny fampandrosoana ny toekarena ny tontolon’ny fandraharahana, indrindra ny fanondranana entana any ivelany sy ny famerenam-bola azo avy amin’izany (rapatriement des devises). Mbola ambany anefa io taha io raha ho an’i Madagasikara, anisan’ny antony mampitontongana […]

Angovo sy herinaratra: maro ny asa hatao ao anatin’ny 100 andro

Miisa 10 ny tetikasa ho henjehin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) ato anatin’ny 100 andro, fetr’andro napetraky ny filoham-pirenena. Anisan’izany ny fananganana toby mamokatra herinaratra, indrindra ny avy amin’ny masoandro. Tetikasa maro no tanterahin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, izay efa natomboka sady tohizana. Nampidirina ao anatin’ny fe-potoana 100 andro […]