Other News

Fivorian’ny eveka : hofaritana ireo laharam-pahamehana    

                “Miavaka ny fivoriana satria taorian’ny fitsidihana natao tamin’ny papa ray masina dia izao fivoriana izao no amaritan’izy ireo ny laharam-pahamehana pastoraly eo amin’ny fitantanana ny eglizy sy ny vahoakan’Andriamanitra, araka ny toromarika sy ny fifanakalozan-kevitra natao tany Roma”, hoy ny sekretera mpandrindra eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), ny pretra […]

Fijerena sy fiahiana ny mpiasam-panjakana: nampiakarina ho 11% ny tetibola ho an’ny karama

Anisan’ny nisongadina tamin’ny famelabelaran’ny minisitry ny Toekarena sy ny vola, i Rindra Hasimbelo, ny momba ny volavolan’ny tetibola, ho an’ny taona 2023 ny momba ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Eo koa ireo fotodrafitrasa… Nambarany fa hiakatra hatrany amin’ny 11,9% ny tetibola ampiasaina amin’ny fandoavana ny karaman’ny  mpiasam-panjakana ho an’ny taona avy. Tsy […]

Fotodrafitrasa: misongadina ny Japoney

Nitsidika ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, tetsy Anosikely ny ambasadaoron’i Japon, i Abe Koji, afakomaly. “Manana tetikasa maro eto amintsika ary mitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka i Japon”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona. Notsiahiviny ny fiaraha-miasa eo amin’ny tetikasa Ambatovy. Eo koa ny fanamboarana ny seranan-tsambo ao Toamasina ary koa ny […]

Minisitry ny Fitsarana: “Mitady lalana hamerenana ireo volamena isika”       

“Tsy sasatra mitady lalana ny fitondram-panjakana ny hamerenana eto amintsika an’ireo volemana any Kaomoro sy Afrika Atsimo”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, teny Faravohitra, afakomaly, momba ireo volamena avy eto Madagasikara, tratra tany Afrika Atsimo sy Kaomoro. Ny mahasarotra ny famerenana ireo volamena tratra tany ivelany ireo ny […]

Ramamimampionona Gérard: “Manomboka eo amin’ny tsirairay ny fandriampahalemana”

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana tato ho ato. Inona ny vahaolana? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: “Inona no atao hoe olombelona? Raha misy ny tsy fandriampahalemana, ny olona no olana. Raha vao tsy araka ny tokony ho izy ny olona, tsy mandry fahalemana izay.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): […]