Other News

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any Antsirabe, ny 17 ka hatramin’ny 19 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana karakarain’ny Federation sport-boule de Madagascar. Lalao ho an’olon-telo miaraka izy io ary tsy maintsy manana kara-pilalaovana ara-dalàna ireo hifaninana rehetra.

Fiba 3×3 Hengkin Challenger 2026: Nanainga, omaly, ny solontena malagasy

Hotanterahina ny 11 sy 12 avrily izao, any Chine, ny fifaninanana “Fiba 3×3 Hengqin Challenger 2026”. Omaly no nanainga teto an-tanindrazana ny delegasionina malagasy izay hiaro ny voninahi-pirenena. Fifaninanana anisany goavana ity hatao ity, hahafahana mandahatra ireo mpilalao mendrika eo amin’ny basikety lalaovin’olona telo. Tsiahivina fa firenena efa anisan’ny manana […]

Baolina kitra – “Yas amboaran’i Madagasikara”: Miisa 78 ireo ekipa hiady ho lohany

Nitombo miohatra ny tamin’ireo andiany hatramin’izay ny ekipa hiatrika ny fiadiana ny “Yas amboaran’i Madagasikara”, taranja baolina kitra. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasionina afrikanina izay voalohany amin’ity. Hanomboka ny 18 avrily ho avy izao ny fiadiana ny “Yas amboaran’i Madagasikara”, taranja baolina kitra. Nampahafantarina tetsy amin’ny […]