Nitranga ny tsy nampoizina nandritra ny lalao ampahefa-dalana mandroso hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, ho an’ny ekipa tompondaka na ny “Ligue des champions d’Europe”, taranja baolina kitra. Ny talata alina teo, tao amin’ny Kianja Bernabeu, lavon’ny Bayern de Munich, tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Real de Madrid, tompon-jaridaina. Efa nitarika 2 no ho 0 ry zareo Rainiboto, baolina tafiditr’i Luis Diaz, teo amin’ny minitra faha-41 sy ny an’i Kane, minitra faha-46 vao nahatafiditra ny baolina tokana ho azy i Mbappé. Anisan’ny nisongadina i Neuer, mpiandry tsatoby alemà izay nanakana baolina maro, nandritra ity lalao ity. Ho sarotra amin-dry zareo Madrilène, araka ny fandinihan’ireo manam-pahaizana, ny lalao miverina hotanterahina any Munich, ny alarobia 15 avrily ho avy izao. Ankoatra izay, resin’ny Arsenal, tao amin’ny kianjany ihany koa ny Sporting Lisbonne. Nisaraka tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny roa tonta. Baolina tafiditr’i Kai Havertz, teo amin’ny fanampim-potoana 90 + 1 mn. Afaka herinandro ny lalao miverina, any Emirates Stadium.
Tompondaka




