Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara, omaly. Tafakatra amin’ny dingana manaraka Andraina Voavy Mitia, vehivavy malagasy mpilalao tenisy. Notanterahina tany le Caire Egypte, nanomboka omaly, ny fifaninanana “J 200 Cairo”, taranja tenisy, sokajy junior, lahy sy vavy. Raha ho an’ny sokajy vehivavy lalaon’olon-tokana, tafita any amin’ny dingana faharoa Andraina Voavy […]
Other News
Ambohimanarina : lehilahy maty voadonan’ny kamiao
Mitohy ny fanadihadiana ny mpamilin’ilay kamiaobe nandona olona ka nitarika fahafatesana lehilahy iray teny Ambohimanarina, afakomaly. Lehilahy iray 24 taona no nofaohin’ny kamiaobe teo Ambohimanarina, tamin’io fotoana io. Naratra noho ny dona mafy nahazo azy ity lehilahy ity ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana eny Anosivavaka. Nafindra tao amin’ny hopitaly HJRA […]
lalàna momba ny fanolanana; mihatra avy hatrany, hoy ny minisitra
“Tonga dia mihatra avy hatrany io lalàna vaovao io”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, momba ny lalàna famaizana ny mpanolana zaza tsy ampy taona, taorian’ny fanombohana ny taom-pitsarana 2024 teny Anosy, omaly. 600 ny tranga fanolanana, taona 2023, ary 133 tamin’ny volana janoary no ho mankaty. Izay […]
Kaporaly MaHampy : natao veloma ara-miaramila
Tontosa ny alahady teo, tao amin’ny Bataillon d’infanterie Maintirano, ny lanonana ara-miaramila fanaovam-beloma farany ny miaramila kilasy faharoa, Mahampy Gaspard, maty voatifitry ny dahalo. Ny kaomandin’ny Bataillon d’infanterie Maintirano, ny Kly Raoeliarison Jean Goerès, no nampiakatra ny galonany ho kaporaly, nomena azy manokana taorian’ny fahafatesany. Natolotry ny kaomandin’ny fari-piarovana sy […]
Fiahiahiana kolikoly : hotsaraina, anio, any Londres, i Romy Voos
Hatao anio, any Londres, ny fitsarana ilay raharaha mahavoasaringotra an’Andrianarisoa Romy Voos. Voampanga amin’ny fanaovana kolikoly sy fitakiana vola tamina orinasa anglisy iray izy sy ny namany. Hiakatra fitsarana anio, any Londres, raha tsy misy ny fiovana ny tale kabinetra teo aloha, eo anivon’ ny fiadidiana ny Repoblika, Andrianarisoa Romy […]






