Other News

VAOVAO TAMBATRA

Efa vita ny fanarenana eo amin’ny lalam-pirenena RN4, sampanan-dalana Anjajia, PK437. Eo koa ny fanamboarana ny tetezan’Antanambao Andranoava, PK498+400, sy ny tetezamby eo Mangapaika, PK 505. Manampy ireo ny fanarenana ny lalana eo amin’ny PK466, akaiky ny tananan’i Beforona. Vita ny 1 febroary teo ireo asa ireo, avy amin’ny tetikasa […]

Nosy Be : fiofanana fiompiana trondro

Anisan’ny faritra manana loharano ny any Nosy Be. Misy ny paikady raisin’ny fanjakana entina hampiroboroboana ny fiompiana trondro. Mampiavaka azy, maimaimpoana ny fiofanana satria tanjona ny hahafahan’ny rehetra hisehatra amin’ ny lalam-pihariana trondro. Maromaro ny fandaharam-potoana any Nosy Be. Misy ny fiofanana ho an’ny fiompiana trondro an-dobo, ny fanatavezana trondro, […]

Amoron’i Mania : miroborobo ny fambolem-bary ara-teknika sy ny fiompiana tantely

Mampiasa ny teknikam-pambolena vary Papriz ny 80%-n’ny tantsaha any Ilaka Centre. Miroborobo koa ny seha-pihariana tantely any Kianjandrakefina. Mpamboly sady mpiompy avokoa ny 80%-n’ny mponina any amin’ny kaominina Ilaka Centre sy Kianjandrakefina, samy ao anatin’ny distrika Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Laharam-pahamehana ho an’ny minisitry ny Fam­bolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona […]

Ceni : “Tsy alohan’ny 15 mey ny fifidianana”

“Eritreretinay fa tokony ho vita amin’ity enim-bolana voalohany ity ny vanin’androm-pifidianana. Lalàna no mamaritra izay, indrindra ny fifidianana solombavambahaoka izay tokony ho vita alohan’ny faran’ny volana jona”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fanatanterahana fifidianana kaominaly sy ny an’ny depiote. Aorian’ny famaranana tanteraka ny fanavaozana isan-taona ny […]

INDRAY MIJERY

Hanatanteraka fambolen-kazo eny amin’ny kaominina Ambalavao Atsimondrano, manakaiky ny Analamanga Park, ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tarihin’ny minisitra, Andria­manantany Zely, amin’ny alakamisy izao. Aman’aliny ireo mpiasan’ny fahasalamana hanatontosa izany. Nidina tany Itasy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo, nanatanteraka fambolen-kazo faobe niaraka tamin’ny mpiara-miasa. […]