Amoron’i Mania : miroborobo ny fambolem-bary ara-teknika sy ny fiompiana tantely

Mampiasa ny teknikam-pambolena vary Papriz ny 80%-n’ny tantsaha any Ilaka Centre. Miroborobo koa ny seha-pihariana tantely any Kianjandrakefina.

Mpamboly sady mpiompy avokoa ny 80%-n’ny mponina any
amin’ny kaominina Ilaka Centre sy Kianjandrakefina, samy ao anatin’ny distrika Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Laharam-pahamehana ho an’ny minisitry ny Fam­bolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin, izay nihaona mivantana tamin’ny tantsaha ny 3 febroary teo. Fantatra fa efa mampiasa ny teknikam-pambolena vary Papriz ny ankamaroan’izy ireo. Misy ny saha sekoly misehatra amin’ny voly vary an-tanety sy ny voly vary an-drano.

Manohana ny tantsaha ny fandaharanasa Defis, vatsian’ ny Tahirim-bola iraisam-pirenena mampiroborobo ny fambolena (Fida) ara-bola. Efa tafapetraka ao anivon’ny
kaominina Ilaka Centre koa ireo mpanolotsaina ho an’ny fandraharahan’ny fambolena tantanin’ny fianakaviana (CGEAF). Manome torohay sy torolalana ho an’ny tantsaha izy ireo, hanatsarana ny asa sy ny kalitaon’ny vokatra. Anisan’ny nitarainan’ny tantsaha tamin’ny minisitra ny fotodrafitrasa efa tranainy any Ilaka Centre.
Tantely 28 taonina isan-taona
Mampiavaka an’Amoron’i Mania koa ny fiompiana tantely. Nojeren’ny minisitra Ratohiarijaona R. Suzelin ny tany amin’ny kaominina Kian­jandrakefina, satria seha-pihariana tena mampandroso ny fari-piainan’ny tantsaha. Ahi­tana Saha sekoly ho an’ny tantsaha (FEP) any an-toerana, mampiofana ny mpisehatra ara-teknika ny famokarana tantely. Maniry ny hanohanana azy ireo bebe kokoa ny mpiompy satria manodidina ny 28 taonina isan-taona ny vokatra ao amin’ny kaominina Kianjandrakefina. Olana se­drain’ny tantsaha ihany koa ny fisian’ireo mpamokatra tantely hosoka, misy manafangaro zavatra hafa, eny an-tsena.
Nitsidika ny orinasa Zina, misehatra amin’ny famokarana zezika biolojika ihany koa ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: