Fotoan-dehibe ho an’ny mpanakanto. Tontosa omaly ny “RDJ 2023”, nankasitrahana ny mpanakanto noho ny sanganasany izay nofidian’ny mpankafy ho mendrika. Nisongadina indrindra tamin’izany i Ceasar. “Iiiii… Na iza na iza maheno izay, dia mamaly ho azy hoe «Aaaa». Rariny loatra raha nahazo ny «Titre de l’année» tamin’ny «Rdj Mozika 2023», […]
Other News
Ambohidratrimo Marovatana: vohitra nanana ny naha izy azy tanatin’ny tantara
Vohitra nipoiran-dRadama voalohany Ambohidratrimo, ankoatra ny maha anisan’ny ao anatin’ny vohitra roa amby folo azy. Efa anisan’ny tao anatin’ny Imerina efa-toko ihany koa izy talohan’ izany rehetra izany. Vohitra iray tao anatin’ny Imerina efa-toko tamin’ izany andro izany, ny vohitr’Ambohidratrimo Marovatana. Ny mpanjaka Ratrimo sy Ramorabe ary Rambolamasoandro no nanjaka […]
FANTINA sy FINTINA
Hamolavola hetsika ny komity teknika faha-77 taonan’ny 29 marsa. Nivory ny herinandro teo izy ireo. “Hanamarihana izany ny famelo-maso ny tantara, ny fampitana ny fanilo amin’ny taranaka”, hoy ny filoha mpitarika ny fikarakarana, ny Jly Randrianantenaina Emilson. Handalo eny amin’ny Antenimierandoholona hankatoavina, taorian’ny nandanian’ny depiote azy ireo volavolan-dalàna roa: ny […]
Ravalomanana Marc : “Tsy avelantsika hanjaka tokana ny mpitondra…”
“Tsy avelantsika hanjaka tokana eto ireo eo amin’ny fitondrana fa tsy maintsy atao ny hananantsika olom-boafidy marobe amin’ireo fifidianana rehetra ho avy”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana. Nitarika ny fambolen-kazon’ny antoko teny Imerikiasinina ny tenany. Nambarany anefa fa tsy ho tratra izany raha tsy manentana ny vahoaka hisoratra anarana […]
Ny maha olona tsy misy hadino
Tsy fandriampahalemana etsy sy eroa, fanolanana, fisandohana, fihanaky ny zava-mahadomelina… Izany ny fiarahamonina malagasy amin’izao. Ao anatin’ny fahalavoana na fahalovana? Fahantrana no antony, na izany no vao mainka mampahantra fa mitambotsotra andro aman’alina ny maha olona. Na sanatria efa mihabiby ny sasany… Izany no hoe fandrosoana? Nefa hoe ho […]






