“Tsy avelantsika hanjaka tokana eto ireo eo amin’ny fitondrana fa tsy maintsy atao ny hananantsika olom-boafidy marobe amin’ireo fifidianana rehetra ho avy”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana. Nitarika ny fambolen-kazon’ny antoko teny Imerikiasinina ny tenany. Nambarany anefa fa tsy ho tratra izany raha tsy manentana ny vahoaka hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ny mpikambana rehetra. Adidy ny manentana ny rehetra ny momba izany amin’izao fotoana izao, araka ny nambarany.
Niantso ny mpikatroka hanamafy hatrany ny firaisankina ny tenany mba tsy hanaiky ny ho zarazarain’ireo hevitry ny tsy mikatsaka afa-tsy ny ho kandidàn’ ny antoko fotsiny.
“Mbola ho avy ny fotoana hijerena sy hanaovana ny fisafidianana ho amin’izany fa ny fanentanana aloha no tokony hamafisana”, hoy ihany izy.
Nanentana hamboly hazo…
Notsiahiviny fa miovaova ny toetr’andro ka mitaky fandraisana andraikitra izany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Hisy vokany ratsy eo amin’ny firenena sy ireo taranaka izany, na eo amin’ny lafiny fahasalamana, ekonomika, fa indrindra ny fambolena sy ny fiompiana. “Tsy tokony hataontsika fombafomba fotsiny izao fambolen-kazo izao fa tokony horaisina adidy amin’ ny firenena mba hamerenana indray ity Nosy misy antsika ity ho maitso”, hoy izy.
Synèse R.




