Other News

Depiote Johasy Eléonore: “Mitohy ny fanitsakitsahana ny lalàna”

“Lalàna fehizoro no entina hodinihina amin’izao. Raha ny lalàna, 15 andro mialoha no hametrahana azy vao tokony hodinihina. Nefa tonga amin’ny mahazatra izay amin’ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana indray isika”. Izay ny fijerin’ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny tsy miankina tany Vaingaindrano, i Johasy Eléonore, momba ny fandinihan-dalàna amin’izao fivoriana tsy ara-potoan’ny […]

Mpiofan’ny ENSOA : nanamafy ny fahaiza-manao

Nanamafy ny fahaiza-manao, ho fiomanana sahady ny fidinana eny an-kianja ireo mpiofana ao amin’ny sekolim-pirenen’ny manamboninahitra lefitra ao Antsirabe (ENSOA) , nanomboka ny 22 janoary, nifarana ny 26 janoary teo. Nifototra manokana tamin’ny fifehezana ny taranja haiady ireo mpiofana. Nizara ny traikefa ho an’ireo mpiofana “BMP1” sy ny “CM1” ny […]

Madagasikara – Etazonia : matotra hatrany ny fiaraha-miasa ara-tafika

Nihaona tamin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, omaly, ny ambasadaoro amerikanina. Nitarika ny delegasiona, ramatoa Claire Pierangelo. Fiarahabana sy firariantsoa noho ny fisahanana andraikitra vaovao amin’ny maha minisitra azy no tena vontoatin’ny fihaonana. Nambarany fa mpiara-miombon’antoka ara-miaramila ha­trizay ny amerikanina sady manana tompon’andraikitry ny fiarovana […]

INDRAY MIJERY

Natao ny alatsinainy teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny fampianarana ambony mpisolo toerana, Pr Rakotozafy Rivo, sy ny tale vaovao, Dr Ramahazosoa Irrish Parker. Fanambin’ny tale vaovao ny hiantoka ny filaminan’ny fanadinana bakalorea, ny fandaminana ny fisoratana anarana. Manome toky ny mpianatra sy ireo ray aman-dreny ny tenany. Nitsidika ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nandray ny valin-kasasarany avy amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) avy hatrany ireo nahazo ny amboara sy mari-pankasitrahana nandritra ny lalao « Telma Coupe 2023 ». Notanterahina ny alatsinainy lasa teo, teny Isoraka, izany. Ny FMF izay manao ny ezaka rehetra hampandrosoana ny baolina kitra malagasy. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny seksiona […]