“Lalàna fehizoro no entina hodinihina amin’izao. Raha ny lalàna, 15 andro mialoha no hametrahana azy vao tokony hodinihina. Nefa tonga amin’ny mahazatra izay amin’ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana indray isika”. Izay ny fijerin’ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny tsy miankina tany Vaingaindrano, i Johasy Eléonore, momba ny fandinihan-dalàna amin’izao fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena izao. Ny amin’izay fanolorana volavolan-dalàna fehizoro tsy araka ny fotoana tokony handinihina azy izay: hampitomboina ve ny fe-potoam-pivoriana hanatrarana ny fetr’ andro faritan’ny Lalàmpanorenana? Izay no tsy mbola fantatra, araka ny nambarany. Ny tsy maintsy hatao aloha: taperina ny 12 andro, izay vao hotohiziny izay fetr’andro izay raha heverina fa tokony hotohizina.
“Matetika, tonga amin’ny hoe governemantan’ny mpitsara isika: ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) no manitsy sy manome alalana ny fanjakana na manendry izay olona tokony ho olom-boafidy. Izay no lasa fomba fanao amin’izao dia azo atao avokoa izay tiana hatao rehetra”, hoy izy. Vao manomboka miasa ny governemanta amin’ izao. Nefa toy izany sahady
ny fanombohany. Anjaran’ny depiote tsirairay ny hanao ny fanaraha-maso sy ny fanairana amin’izay tokony hotairina.
R. Nd.




