Nanomboka omaly, tany Kaomoro, ny fiadiana ny tompondakan’ny CAVB Zone 7, taranja Beach Volley-ball. Tsy lasa tamin’ny ora farany ny solontena malagasy roa lahy, i Thierry Robsel sy Rakotoarison Willot. Araka ny fanazavana nentin’ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ ny Volley-ball, olana teo amin’ny toetr’andro no antony tsy nahalasa azy ireo. […]
Other News
« Telma coupe de Madagascar »: hiatrika ny famaranana ny Elgeco Plus sy ny CFFA
Adin’ny samy ekipan’ny ligin’Analamanga ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Telma coupe de Madagascar”. Hifanandrina amin’izany ny Elgeco Plus sy ny CFFA Andoharanofotsy. Tontosa omaly alarobia, teny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium By-pass, ireo lalao manasa-dalana roa, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Telma coupe de Madagascar”, taranja baolina […]
INDRAY MIJERY
Am-perinasa ireo rantsa-mangaikan’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) eny amin’ ny minisitera amin’ny fampitahana ny naoty ao amin’ny CNtemad mialoha ny hamoahana ny valim-panadinana. Nanentana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny izy ireo mba hiandry am-pitoniana ny voka-panadinana. Nametraka lamina ny CHU Fenoarivo, araka ny toromarika voarain’ny talen’ny hopitaly. […]
Tetiandro avy amin’ny Ceni: Tombanana ho amin’ny volana jona ny fifidianana
Nitondra fanazavana ny eo anivon’ny Ceni momba ny tetiandrom-pifidianana ho an’ ny ben’ny Tanàna sy ny depiote. Nambaran’ny mpampaka-teny, i Soava Andriamarotafika, fa tokony hiandry ny fikatonan’ny lisitry ny mpifidy, aorian’ny 15 mey vao hirosoana ny fifidianana amin’ity taona ity. “Io lisitra nasiam-panitsiana io no hampiasaina mba tsy ho very […]
Fiatrehana ny fifidianana: mitaky tokotany madio ny antoko MMM
Vonona saingy nametraka fepetra. Nambaran’ny birao politikan’ny MMM, Raharison Liva, fa manana adidy ary handray anjara amin’ny fifidianana izy ireo. Tahaka izany koa ny hafa mba haha antoko politika azy. Na izany aza, mbola manamafy ny MMM fa misy zavatra tokony hojerena mialoha. “Tontolo maloto ary tsy nadio ny tokotany […]






