Nitondra ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena sy ny trangam-piarahamonina amin’izao fotoana izao ny Jly Ramakavelo Desiré. Nambarany fa betsaka ny anton’izany. Hentitra sy nahitsy ity manamboninahitra misotro ronono ity. “Tena efa tsy mifampatoky intsony isika. Tsy milamina ny fiarahamonina ary tsy afaka mifampiraharaha araka ny fifampifehezana ny vahoaka sy ny […]
Other News
Antoko Marina : “Mila atao ny fifidianana lehiben’ny faritra”
“Mbola ao anatin’ny Lalàmpanorenana ny faritra. Tsy mbola misy fanovana izany. Noho izany, tokony hofidina amin’ity taona ity izay hitantana ny Faritra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ ny antoko Marina, Ranaivoson Désiré, momba ny fiatrehana fifidianana. Tokony hotaperina ny taona 2024 ny fotoam-pifidianana. Mba tena asa fampandrosoana no hatrehin’ny […]
Fitantanana ny kaominina : naka ny hevitry ny HCC ny Praiminisitra
Saika tapitra tamin’ny 10 janoary lasa teo avokoa ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna amin’ireo kaominina 1 695 manerana an’i Madagasikara. Inona no hatao? Araka ny loharanom-baovao azo antoka, naka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Anisan’ny fanontaniana amin’izany ny hoe: […]
Rakotoson Andriamiraho Hoby : “Tsy ampy ny tetibola hanentanana ny olom-pirenena amin’ny Rale”
Mby aiza ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) amin’izao? Maneho ny heviny ny avy amin’ny firaisamonina sivily miantsehatra amin’ny fanaraha-maso fifidianana, ny fikambanana ny Angady, Rakotoson Andriamiraho Hoby. Dinidinika… Gazety Taratra (*) : Ny fahitanareo ny Rale amin’izao? Rakotoson Andriamiraho Hoby (-): Fampidirana ny anaran’ireo vao feno taona sy izay […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy foana ny tolo-tanana ho an’i Mika. “Aza avela hatory”, hoy ny fanentanana. Efa natomboka ary misy isan’andro. Anjaran’i Jimi Harisson indray ny manafana ny anio, eny amin’ny Mlam Manakambahiny, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hitohy ny zoma, etsy amin’ny La City Ivandry izany, miaraka amin-dry ‘Zay, Samöela, Rah-Ckiki, Tovo […]






