Ady amin’ny fahantrana sy ny fampiakarana ny fahefa-mividin’ny Malagasy no tena laharam-pahamehana amin’ity fe-potoam-piasana faharoa ity, ho an’ny fitondram-panjakana malagasy. Efa nanome ny toromarika mahakasika izany ho an’ny minisitra isan-tsokajiny ny Filohan’ny Repoblika ho fanatrarana ny tanjona. Tontosa afakomaly alina, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny filankevitry ny minisitra voalohany. Nitarika […]
Other News
Fipoahana mahery vaika : lehilahy roa maty tsy tra-drano
Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana roa, omaly atoandro. Nisy fipoahana mahery vaika tao an-tranon’izy ireo. Potika tanteraka ny tongotry ny iray, rotidrotika ny vatan’ny namany. Zava-doza no nitranga tao amin’ny tokantrano iray, teny Marovohitra, kaominina Sambaina, distrikan’i Manjakandriana, omaly. Nisy zavatra nirefotra mafy be, fipoahana nampiahiahy. Vokany, lehilahy roa maty […]
Naolana sy notapahin-doha : nataon’ny mpimasy sorona i Nathalie
Nataon’ny mpimasy sorona i Nathalie. Ilay razana tsisy loha nariana teny Faravohitra, tamin’ny talata maraina. Ny ampitson’io, hita tao anaty dabam-pako ny lohany. Mitantara ny reniny… Mampivarahontsana ! Novetavetaina avy eo notapahina tamin’ny antsibe ny lohan’i Fifaliana Nathalie Thérèse na i Zazah. Tovovavikely vao 14 taona, nalain’ny mpimasy an-keriny ny alahady […]
TSELATRA
Nampanantsoin’ny fitsarana ao Fianarantsoa ireo mpitsabo roa namoaka valim-pitiliana samy hafa tamin’ny raharaha fanolanan-jaza niteraka resabe, afakomaly. Nanambara ny mpitsabo iray fa tsy niharan’ny fanolanana ilay zazavavy folo taona nipetraka tao amin’ny mpampianany. Tetsy ankilany, nanamafy ilay mpitsabo iray fa simba tanteraka ny taovam-pananahan’ilay zaza. Zazamenavava narian-dreniny tao anaty lava-piringa […]






