Filoha Rajoelina Andry : « Laharam-pahamehana ny fanenana ny fahantrana »

Ady amin’ny fahantrana sy ny fampiakarana ny fahefa-mividin’ny Malagasy no tena laharam-pahamehana amin’ity fe-potoam-piasana faharoa ity, ho an’ny fitondram-panjakana malagasy. Efa nanome ny toromarika mahakasika izany ho an’ny minisitra isan-tsokajiny ny Filohan’ny Repoblika ho fanatrarana ny tanjona.

Tontosa afakomaly alina, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny filankevitry ny minisitra voalohany. Nitarika izany ny filohan’ny Repoblika niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta izay vao notendrena. Nisongadina tao anatin’izany ny fanolorana sy fampahafantarana ny politika ankapoben’ny fanjakana, izay nozaraina telo lehibe. Teo ihany koa ny fanendrena mpia­sam-panjakana ambony. Manginy fotsiny ny fanafoanana sy fanesorana olona. Nisy ny fampahafantarana ny asa maika tokony hatao ao anatin’ny zato andro isaky ny departemanta.
Anjaran’ny filohan’ny Re­poblika no mamolavola sy manolotra ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Na­neho ny safidiny hanohy ny fametrahana fitokisana tamin’ny politikam-pampandrosoana izay nentin’ny filoha Rajoelina Andry , nanomboka ny 2019 ny vahoaka malagasy, tamin’ny alalan’ny fifidianana natao ny 16 novambra 2023.
Ny velirano 13 ao anatin’ny “Plan Emmergence de Madagascar”, izay navadika ho programan’ny governemanta, araka izany, no mbola fototra iorenan’ny politika ankapoben’ny fanjakana. Misy kosa anefa ny napetraka ho laharam-pahamehana ao anatin’izao fe-potoam-piasana faharoa izao. Anisan’izany ny fampihenana ny fahantrana, ny fanatsarana ny fahefa-mividy ho fanohizana ny asa ho fanatratrarana ny fahataran’ny fampandrosoana eto Mada­gasikara. Nosokajina ho telo lehibe izany. Voalohany amin’izany ny fanomezana lanja ny loharanon-karena mifototra amin’ny maha olona. Faharoa manaraka izany, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary fahatelo farany ny fahaiza-mitantana.

Lin

Partager sur: