Other News

Rakotovao Rivo : « Ho maro ny ben’ny Tanàna mety higadra »

“Tena ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna izao ny tsy mbola anaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Ho be dia be indray ny ben’ny Tanàna mety higadra, fa teren’ny mpiara-monina amin’ny fanapahan-kevitra”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo. Fanambarana nataony manoloana ny tsy mbola fahatanterahan’ny fifidianana ben’ny […]

Tsy hita tabilao

Vita izy izay! Nahazo minisitra vaovao i Madagasi­kara. Tafapetraka ny governemanta. Andrasana ny fametrahana ny rafitra isan’ambaratonga, hoenti-mampandroso ilay firenena. Omaly, efa nihazakazaka ny fifamindram-pahefana. Samy nilomay namita ny azy ireo afaka nanao izany. Mbola hitohy anio kosa ny an’ny hafa. Misy rahateo ny tsy maintsy manao fifamindram-pahefana indroa miantaona. […]

Fitantanana kaominina : ho avy ny sata manokana hifehy ny ben’ny Tanàna

Nifarana ny herinandro lasa teo ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Na hisy ny fanalavam-potoana, na hivoaka ny sata manokana momba azy ireny. Tapitra ny faha-14 janoary lasa teo ny efa-taona niasan’ny ben’ny Tanà­na. Tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra avy eo anivon’ny fitondram-panjakana mahakasika izany. Miandry ny fepetra horaisin’ny […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray namoy ny ainy niha­ran’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambohimahitsy, omaly. Nidona mafy tamin’ny sisin-dalana ny moto nentiny. Voa mafy izy ka nentin’ireo nanatri-maso nihazo ny hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy vokatry ny fahaverezan-dra be loatra. Nihotsaka avokoa ny hazo handrafetan’ny mpiasa ny trano lehibe iray ao Tsaralalana nandritra ny […]

Toamasina: raim-pianakaviana maty natelin’ny ranomasina

Raim-pianakaviana 32 taona no maty natelin’ny ranomasina, ny alahady tolakandro teo. Mivahiny ao Toa­masina izy miaraka amin’ny vady aman-janany. Vao herinandro izay no nahatonga­van’izy ireo, avy any Manja­kandriana. Teo akaikin’ny Club nautique izy no lasan’ny ranomasina, tamin’io fotoana io. Araka ny fitantaran’ny fianakaviany niaraka taminy, nitarika ireo namany roa lahy […]