Nifarana ny herinandro lasa teo ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Na hisy ny fanalavam-potoana, na hivoaka ny sata manokana momba azy ireny.
Tapitra ny faha-14 janoary lasa teo ny efa-taona niasan’ny ben’ny Tanàna. Tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra avy eo anivon’ny fitondram-panjakana mahakasika izany. Miandry ny fepetra horaisin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany ny famaritana ny asa aman’andraikitr’izy ireo, mandra-pahatongan’ny fifidianana. Asa maika miandry ny minisitra vao notendrena rahateo izany, aorian’ny handraisany ny fahefahana indray.
Ny loharanom-baovao nanaovana fanadihadiana no nahalalana fa hovolavolaina tsy ho ela ny sata manokana momba ny fitantanana, mandritra ny fahabangan-toerana. Hofaritana mazava amin’izany ny ho andraikitr’ireo ben’ny Tanàna. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, Ranesa Firiana, fa tokony hivoaka ny sata hifandraika amin’ny asan’ny ben’ny Tanàna. “Miala eo amin’ny toerany izy ireo rehefa tonga ny voafidy hisolo ny toerany”, hoy izy.
Fametrahana PDS
Etsy andaniny, tsy voalaza mazava ao amin’ny lalàna ny tokony handraisan’ny fitondram-panjakana fepetra amin’ ny hametrahana filohan’ny delegasionina manokana (PDS). Izy ireo izay hisolo sy hiandraikitra ny toeran’ny ben’ny Tanàna izay efa dila fe-potoam-piasana. Mitaky fepetra manokana ny zava-misy ankehitriny, mahakasika ny fahabangan-toeran’ny ben’ny Tanàna. Mbola haharitra roa volana eo ny elanelan’ny fifidianana ho avy sy ny fahataperan’ny fotoam-piasana.
Tsiahivina fa raha ny tomban’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni, hatao amin’ny volana marsa na mihoatra kely ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna vaovao. Hotanterahina ny mey na jona kosa ny fifidianana depiote.
Synèse R.




