Mpianadahy indray no niara-namoy ny ainy nilatsaham-potaka, afakomaly, tany Andranomanelatra Antsirabe nandritra ny oram-baratra niseho tany an-toerana. Ankizy mpianadahy niara-namoy ny ainy nilatsaham-potaka tao Tsararavaka, Andranomanelatra, Antsirabe II, afakomaly. Nivatravatra ny orana ka nialoka teo ambany lavarangana ilay ankizy iray. Nitazana io mpiray tampo aminy io avy eny an-davarangana ny […]
Other News
INDRAY MIJERY
Nampahafantatra ireo fambaran’aretina heverina ho tiberkilaozy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mila mailo raha toa ka mihamahia, tsy mazoto homana, mikoha-maina maharitra…Maimaimpoana ny fitiliana ny aretina tiberkilaozy. Toraka izany ny fanafody sy ny fandraisana an-tanana ny zaza mila fitiliana. Mitohy ny lamina amin’ny fandraisana fisotroan-dronono. Omaly no anjaran’ireo manana laharana miafara amin’ny […]
Fitantanana firenena: tsy hiditra anaty governemanta ny RMDM
Nahitsy ireo mpanohitra mivondrona eo anivon’ny RMDM fa tsy mihevitra ny handadilady na mivantana na an-kolaka hiditra anaty governemanta na izao fitondrana izao mihitsy. “Tsy hiditra ao anatin’io izahay”, hoy izy ireo, tetsy Ampandrana, omaly, araka ny nitateran’ny filoha lefitra, ny pasitera Tsarahame Edouard azy. Nanteriny fa tsy misy idiran’ny […]
Fidirana anaty governemanta: hentitra ny filoha, maro ny teknisianina
Horaisin’ny filohan’ny Repoblika, anio, ny lisitra avy amin’ny praiminisitra, misy ireo hiara-hiasa aminy. Maro anisa ny tanora teknisianina, te hiditra anatin’ny rafitra. Hentitra ny sivana. Anisan’ny nanolotra anarana ireo antoko lehibe mpanohana ny fitondrana izay lasa mifanipaka an-toerana sy mifampisompatra. Misy ny antoko politika eo anelanelany, izay sady tsy mpanohana […]
Administratera sivily, Raholinarivo Paolo: “Tokony hitovy ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna”
Nanao fanambarana, tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny administratera sivily, Raholinarivo Paolo, omaly. Tsy nitsitsy ny fanehoan-keviny. “Mendrika fitsarana mitovy ny vahoaka ary tokony hitovy ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy tokony ho ny baiko midina avy atsy na avy aroa no hahavoasazy. Ny fandikan-dalàna no tokony hahavoasazy […]






