Fitantanana firenena: tsy hiditra anaty governemanta ny RMDM

Nahitsy ireo mpanohitra mivondrona eo anivon’ny RMDM fa tsy mihevitra ny handadilady na mivantana na an-kolaka hiditra anaty governemanta na izao fitondrana izao mihitsy. “Tsy hiditra ao anatin’io izahay”, hoy izy ireo, tetsy Ampandrana, omaly, araka ny nitateran’ny filoha lefitra, ny pasitera Tsarahame Edouard azy. Nanteriny fa tsy misy idiran’ny RMDM raha misy ny mieritreritra ny hanohitra izany foto-kevitr’izy ireo izany. Azy manokana izany, raha ny nambarany.
Notsiahivin’izy ireo fa efa nanolotra soso-kevitra maro ny RMDM hanomezana va­haolana teto amin’ny firenena saingy nolavin’ny mpitondra fanjakana avokoa izany na tsy nohenoiny, raha ny voalazany hatrany. “Porofo izany fa tsy vonona hanavotra tanindrazana ireo mpitondra firenena ireo”, hoy izy. Notsindriny fa mitohy ny tolona ho amin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna na ho sarotra aza ny ahatongavana amin’izany.
“Tsy azo ekena mihitsy ny tsy rariny ary tsy maintsy toherina. Vonona koa izahay hamongotra ny tsimatimanota eto amin’ny firenena”, hoy ihany izy.
Momba ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna kosa, nambarany fa mitohy ny fandikan-dalàna. Hametraka PDS na hiroso amin’ny fanalavam-potoana izany. Ny kaominina sasany aza tsy nanana ben’ny Tanàna na tsy nanao fifidianana tao anatin’ny 5 taona, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: