Other News

Tsy ho lohany avy any afara!

Mitaintaina toa sahobakaka am-bodiriana ireo kandidà ho minisitra. Anio no hanatitra ny lisitra misy izay voafantiny any amin’ny Filoham-pirenena ny Praiminisitra. Mazava ny fanambarana fa ny faran’ny herinandro dia efa hanana governemanta feno ny vahoaka malagasy. Feno ny ekipa manomboka any amin’ny mpanazatra, ny kapiteny, ny mpilalao rehetra manomboka amin’ny […]

Vary simba any Toamasina : 35 kitapo saika haondrana any Taolagnaro

Mitohy ny fahatraran’ny zandary ny fikasana hanapariahana vary simba sy lo eto Toamasina. Sarona tao anatin’ny sambo iray « M/S Baleine », ny alin’ny talata 9 janoary teo koa ny vary milanja 30 taonina. Nahazo loharanom-baovao hafa koa ny zandarimaria eto Toamasina. Nisy sambo iray, «M/S Ba­leine», ao amin’ny seranan-tsambo mitondra vary […]

TSELATRA

Vehivavy hita faty tao anaty lavadrano tao Ambohijanadralambo, kaominin’i Morarano, distri­kan’Arivonimamo, afakomaly. Nifono tao anaty gony ity ramatoa ity ary ahin’ireo nanatri-maso ho niharan’ny fanolanana. Efa potika tanteraka ny endriny. Manao fanadihadiana ny zandary ao an-toerana. Mpanolana iray   matin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambalamahogo Andraijoro, kaominin’i Bekoratsaka, distrikan’i Mampikony, ny alahady 7 […]

Fotobohitra – Mananjary : Kamiaobe roa an’ny BNGRC nivadika

Nitrangana lozam-piarakodia niteraka fahasimban-javatra tao Fotobohitra, distrikan’i Mananjary, afakomaly alina. Kamiaobe roa an’ny BNGRC (Birao manokana miandraikitra sy misahana ny loza voajanahary) samy mitondra fa­nampiana (vary, menaka, voamaina) no tra-doza tampoka teo amin’io toerana io. Nifa­narakaraka ireo kamiaobe roa ireo kanjo lany rivotra ilay fiara tao aoriana, araka ny voalazan’ny […]

Ankadikely : lehilahy namboly rongony tanaty vazy

Saron’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) teny Ankadikely Ilafy, afakomaly, ny lehilahy iray vao 19 taona. Nisy olona nahatsikaritra ny fisian’ity lehilahy mamboly rongony anaty fitoeram-boninkazo ity ka niantso polisy avy hatrany. Voamarina tokoa ny fisian’ireo rongony nambolena tao anaty fitoeram-boninkazo ireo. Nandritra ny fisavana nataon’ny polisy, […]