Vary simba any Toamasina : 35 kitapo saika haondrana any Taolagnaro

Mitohy ny fahatraran’ny zandary ny fikasana hanapariahana vary simba sy lo eto Toamasina. Sarona tao anatin’ny sambo iray « M/S Baleine », ny alin’ny talata 9 janoary teo koa ny vary milanja 30 taonina.

Nahazo loharanom-baovao hafa koa ny zandarimaria eto Toamasina. Nisy sambo iray, «M/S Ba­leine», ao amin’ny seranan-tsambo mitondra vary milanja 30 taonina, an’ny teratany indo-pakistaney. Ahina ho afangaro amin’ireo vary ireo ny efa simba sy lo, kasaina halefa any Taolagnaro ny 35 kitapo. Nitsirika izany ny zandary ao amin’ny seranan-tsambo, ka nandray fepetra tsy nahafahan’ilay sambo, izay tokony hiainga tamin’ny 4 ora maraina, omaly 10 janoary.
Ankoatra izany, tsy tanteraka, omaly, koa ny fikasana handoroana ireo vary tanaty kaontenera miisa 3, tratra teny Antanandava. Araka ny loharanom-baovao, misy tsy fitovian-kevitra ny tomponandraikitra samihafa. Ao ny milaza fa tokony andrasana ny vokatry ny fitilian’ny sampana «Institut Pasteur». Misy indray ny mihevitra ny handorana avy hatrany ireo vary. Raha ny fantatra, tsy mbola nivoaka rahateo ny didy avy amin’ny Fitsarana, handorana ireo vary teny Antanandava ireo.

Sivy hadihadiana
Mandritra izany, niampy fito ny teratany malagasy hatao famotorana amin’izao raharaha izao. Izany hoe, tafakatra ho sivy, satria miaraka amin’ireo teratany indo-pakistaney roa, tompon’ilay vary milanja 22 taonina, tratra teny Anta­nandava. Voalaza fa nanao fangatahana an-tsoratra ireo tompon’ny vary, ny 15 desambra 2023, hanaovana sivana ny vary. Nihevitra izy ireo fa tsy nikasa ny hanapariaka ny vary simba sy/na lo velively, fa mety misy tomponandraikitra tsy mazava ny fomba fiasany.
Heverina fa mety mbola hiampy ny tomponandraikitra hohadihadiana mikasika ity raharaha ity.

Sajo sy Njaka A.

Partager sur: