Raim-pianakaviana iray naratra mafy nilatsaham-potaka tao amin’ny fokontany Soarano, kaominina Firavahana, distrikan’i Fenoarivobe, ny harivan’ny Zoma 05 janoary teo. Omby roa maty. Manaraka fitsaboana ilay lehilahy naratra. Lahiantitra 68 taona maty norasarasain’ny tsy mataho-tody antsy tao Vohitraivo Ambilodaozera, kaominin’Ampasina Maningory, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny alin’ny alarobia 3 janoary teo. Ahiahian’ny […]
Other News
Antsenakisoa: basy iray hita tao anaty sakaosy
Hitan’ny polisy tao anaty sakaosy iray, tao Antsenakisoa Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, ny basy vita tanana, famaky, mohara, niaraka tamin’ny odiratsy marobe, ny sabotsy teo. Nanao fisafoana mandeha an-tongotra, toy ny fanaony, ireo polisy no nahatsikaritra olona hafahafa tao Antsenakisoa, tamin’io fotoana io. Nandositra avy hatrany ilay lehilahy nitondra io sakaosy […]
Fanafihana amin’ny RN4 : dahalo telo lahy maty voatifitry ny zandary
Lavon’ny mpitandro filaminana ny dahalo telo lahy mpanakan-dalana amin’ny RN4, tao Analakida fokontany Mahatazantsoa, kaominina ambanivohitra Andranofasika, afakomaly alina. Nikononkonona fanafihana, nifanehatra tampoka tamin’ny zandary mpanao fisafoana alina ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy avy hatrany ireto farany. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Vokany, voan’ny balan’ny zandarimaria ny telo lahy. […]
Natahotra fitsaram-bahoaka : mpanendaka nitsoraka tao amin’ny reniranon’Ikopa
Nitsoraka tao Ikopa ilay mpanendaka natahotra fitsaram-bahoaka. Tsy nahay nilomano, niantso vonjy. Mainka novelesin’ny olona kobay ka nilentika. Tsy hay na maty na velona ! Vehivavy iray avy niasa, hamonjy fodiana eny amin’ny fokontany Ankazotoho Anosimahavelona, kaominina Anosizato Andrefana no voalaza fa nendahin’ny jiolahy iray. Avy niala tamin’ny taxi-be, nifanehatra […]
FAPBM – Bridge: construire un pont entre financement privé et conservation
La Fondation pour les aires protégées et la biodiversité de Madagascar (FAPBM) a été sélectionnée pour concevoir un mécanisme financier novateur mobilisant le secteur privé en faveur des aires protégées du pays. Cela fait suite à un appel à projets lancé par Bridge, une initiative conjointe du Consortium africain des […]






