Hotanterahina eto Madagasikara, manomboka ny 15 – 19 janoary ho avy izao, ny lalao fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”. Tsy navelan’ny kliobany hiatrika izany i Madi. Nihena iray ny lisitr’ireo Ankoay, Malagasy mpilalao, sokajy “senior” lehilahy, araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), omaly. Ilay Malagasy […]
Other News
Mangarano: Jiolahy efatra saron’ny polisy
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP2 Mangarano Toamasina, ny 3 janoary 2024 teo, ny jiolahy efatra tompon’antoka tamina fandikan-dalàna samihafa. Ny roa lahy amin’izy ireo tratra teo am-pangalarana cyclo-pousse tao Antetezantona. Efa maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisiana halatra ataon’ireto jiolahy ireto. Nidina ifotony ny polisy ka […]
Minisiteran’ny fitsarana : hihamafy sy hatevenina ny ady amin’ny kolikoly
Niarahaba ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana,amin’izao taona vaovao izao, ny eo anivon’ny fianakaviamben’ny fitsarana. Hentitra ny toromarika avy amin’ny minisitra tamin’izany. Nambarany fa ny adidy sy andraikitra mitohy hatrany na niova aza ny taona. “Hohamafisina ireo ezaka rehetra efa natao. Maro ny asa mbola miandry”, hoy izy. Anisan’izany […]
INDRAY MIJERY
Hiverina an-dakilasy ny mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra manomboka ny alatsinainy izao, hanohy ny roa volana fahatelo. Herin’ny taom-pianarana ny roa volana fahatelo sy fahefatra, hoy ny mpanabe ka mila mifantoka tsara ny mpianatra. Eo no mamita ny lesona anatin’ny fandaharam-pianarana ho an’ny taranja rehetra fa fizarana no atao betsaka ho […]
TARATRY ny KANTO
Fampiaraham-peo miavaka no hisantatra ny sehatry ny Piment Café Behoririka, anio alina. Hifampizara sehatra amin’izany i Bebey sy Benny ary i Nini. Tsy zovina amin’ny mpankafy azy ny seho sy ny mozikan’ireto mpahay kanto mpihira ireto. Vonona ny mpikarakara sy ny mpanakanto hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy azy […]






