Manodidina ny 79 dolara ny vidin’ny solika iray barila, eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy mitsaha-midina io vidiny io, nanomboka ny volana oktobra teo, izay efa nahatratra 94 dolara. Anisan’ny mahatonga izany ny adin’Israeliana sy ny vondrona palestiniana Hamas, ka mihena ny fanjifana. Miisa 85 ny olona niofana ny fiompiana trondro […]
Other News
fambolen-kazo : ireo dingana tsy maintsy arahina
Ao anatin’ny fotoana fambolen-kazo tanteraka izao. Mamokatra zana-kazo, ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd), manerana ny Nosy. Azo alaina maimaimpoana izy ireny, saingy misy ny fepetra sy ny dingana tsy maintsy arahina, satria tanjona ny hampahomby ny fambolena azy. Manao taratasy fangatahana ny mpamboly, herinandro mialohan’ny fotoana tena hambolena. Hita […]
Fizahantany : vao mainka hitombo ny mpitsidika amin’ny taona 2024
Afa-po ny tamin’ny taona 2023 amin’ny ankapobeny, ireo mpisehatra amin’ny fizahantany. « Efa mifanakaiky ny vokatra azo tamin’ny taona 2019 ny zava-misy, ary manomboka miverina mitombo tsikelikely ny mpizahatany », hoy izy ireo. Matoky ny ho avy ! Velom-panantenana ny mpisehatra isan-tsokajiny amin’ny fizahantany eto amintsika, araka ny tatitry ny gazety boky Newsletter, […]
Fitaterana: nihena 144 ny fiara miala eto an-drenivohitra mampitohy ny faritra
Anisan’ny fotoana mahabetsaka ny mpandeha mivezivezy eto an-drenivohitra mankany amin’ny faritra ny vanim-potoan’ny fety. Nahitam-pihenana kosa izany, amin’izao fotoana izao. Tamin’ny fotoana talohan’ny fetin’ny Krismasy, nanomboka ny 22 desambra lasa teo. Anisan’ny be mpandeha indrindra ny lalam-pirenena fahefatra mankany amin’ny faritr’i Betsiboka sy Boeny. Mahatratra hatrany amin’ny 84 ny isan’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nanao fanambarana fanehoana fiaraha-miory ary nankahery ireo niharam-boina noho ny rivodoza Alvaro ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Niantso ny rehetra hifanome tanana ny tenany ary ho mailo fa vao manomboka ny fotoanan’ ny rivodoza. Hampiasa ny volan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny Ceni amin’ny fikarakarana ny fifidianana depiote sy ny […]






