Lehiben’ny governemanta faharoa anisan’ny ela indrindra taorian’ny nahazoana Fahaleovantena ny praiminisitra Ntsay Christian. Feno 6 taona amin’ny 4 jona 2024 izao no nisahanany izany toerana izany, raha efa ny 4 jona 2018 no nanendrena azy taorian’ny hetsiky ny depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny taona 2018. Lehiben’ ny […]
Other News
Maneno ny kiririoka
Nivoaka izy io ! Tsy niandry izay faran’ny herinandro, araka ny nambara ombieny ombieny. Tafapetraka ny lehiben’ny governemanta izay kapiten’ny ekipa mpanatanteraka miara-misalahy amin’ny filohan’ny Repoblika. Andrasana ny mpilalao hiakatra kianja, hanatevin-daharana azy ireo. Manomboka ny fifantenana na efa heno mialoha aza ny fisian’ny lisitra natolotry ny mpanohana isan-tsokajiny. […]
Voatendry ny praiminisitra : Manohy ny asany i Ntsay Christian
Nohamafisin’ny filohan’ny Repoblika ny fahatokisany ny praiminisitra Ntsay Christian. Manana traikefa, tsy mivadi-belirano. Ho fanohizana ny ezaka vita no nanendrena azy indray. Tsy naka sarotra ny filohan’ny Repoblika fa nanamafy ny toerana efa notazonin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Nomeny ny herijika, hanohizana ny politikam-pampandrosoana efa natombony tamin’ny fotoam-pitondrana voalohany ny lehiben’ny […]
TSELATRA
Lehilahy iray hitan’ny fokonolona nitsirara tsy nisy aina intsony teny Ankaditany Ampitatafika, omaly vao mangiran-dratsy. Tsy fantatra mazava ny anton’ny nahafaty azy. Nizaha ny razana ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo ary nosokafana ny fanadihadiana momba io tranga io. Nifampisokirina tao anaty honahona ny fatin-dehilahy iray tao Antsahatsiresy-Ankorondrano, omaly maraina. […]
VONO OLONA TAO Valpinson : Navotsotry ny fitsarana ireo voalaza fa jiolahy
Niakatra teny amin’ny fitsarana ady heloka bevava, ny 21 desambra 2023, ny raharaha fanafihana mitam-piadiana tao Valpinson Toamasina. Vola 6 tapitrisa Ar no very tamina trangana fanafihan-jiolahy, ny 19 janoary 2023. Nanao fanarahan-dia ny polisin’ny Fip taorian’ny fanafihana. Vokany, voasambotra ry Razafindrakoto Be Nestor sy ny namany, araka ny voarakitra […]






